Socio-eco

TARIKA KIAKA : Manohana ny fampisehoana ho atao ao Antsahamanitra ny Airtel


“Tsy manenina izany rehefa mijery tarika Kiaka”. Feno 38 taona ny tarika Kiaka. Hiaka-tsehatra ao Antsahamanitra, ny 5 mey 2024, amin’ny 2ora sy 38 minitra ny tarika ho fanamarihana izany. Mikarakara ny fampisehoana ataony ny Lamozika. Manodidina ny 100 isa ny fitambaran’ny  hira noforonin’ny tarika. Ny 38 amin’ireo no hirainy mandritra ny seho sy hanomezany fahafaham-po ireo mpankafy mozika rock.  Mampiavaka ity seho ity ny fahatongavan’i Johnny, mpitendry gitara, anisany namorona ny tarika. “Tsy manenina izany ny mijery tarika Kiaka”, hoy i Nini, mpihira ao amin’ny tarika. Ao anatin’ny vinan’ny Airtel Madagascar ny fampiroboroboana ny kolontsaina eto Madagasikara, indrindra ny fanohanana ny indostria ara-kolontsaina. Ho fanohizana ny fandraisana andraikitra amin’ny lafiny kolontsaina izay dia manohana ny seho ataon’ny tarika Kiaka ny orinasa.

“Manan-talenta ny mpikambana mandrafitra ny tarika, toa an’i Nini eo amin’ny lafiny fihirana, i Johnny sy Deba eo amin’ny fitendrena gitara, Josh eo amin’ny  basse, Daddy eo amin’ny clavier ary Jojo eo amin’ny batterie. Tsapa fa manana firaisankina sy erijika ny tarika ary mitovy amin’ny soatoavina apetraky ny Airtel ho laharam-pamehana amin’ny asa ataony izany”, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny orinasa. Nanambara ihany koa i Ramiandrarivo Jimmy, tomponandraikitry ny serasera fa laharam-pamehana ho an’ny Airtel ny fanohanana ny  indostria ara-kolontsaina satria mampivoitra ny fahaiza-manao, ny  famoronana ary ny fikatsahana ny tsara kokoa hatrany. “Noho izany, mendrika ho tohanana io sehatra io sy ny mpanakanto”, hoy izy. Azo jifaina amin’ny alalan’ny Airtel money ny tapakila raha misafidy hividy izany ao amin’ny tranokalan’ny Ticketplace. Toeram-pivarotana ahitana ny tapakila ihany koa eny amin’ny Karibotel Analakely, Mass’in eny amin’ny La City na Akoor Digue na Smart Tanjombato na Jumbo Score Ankorondrano. 7.000 Ariary  ny sarany ho an’ny fan zone, 10.000 Ariary ny  pass gradin, 25.000 Ariary ny tapakila silver, 50.000 Ariary ny tapakila gold ary 100.000 Ariary ny VIP.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *