Socio-eco

TARIKA KIAKA : Hiaka-tsehatra ao Antsahamanitra ny 11 Jona 2023 manomboka amin’ny 02 ora sy sasany


 37 taona nihirana ny tarika Kiaka. « Izay tonga mijery tsy mba manenina », hoy i Nini na Andrianony Herinirina ao amin’ny Tarika Kiaka nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao ho fampahafantarana ny seho ho ataon’izy ireo. Hiaka-tsehatra hanome fahafaham-po ho an’ny mpankafy mozika rock  ny tarika Kiaka ny 11 Jona 2023 manomboka amin’ny 02 ora sy sasany, ao Antsahamanitra. Ny Giant Event no mikarakara ny fampisehoana. Hira 35 nampalaza ny tarika sy be mpankafy indrindra no hameno ny fandaharam-potoana.  Hohiraina amin’io fotoana io ihany koa ireo hira vaovao toy ny « fotoanantsika », « Lasa tiako ianao ». « Nikotrana mafy izahay mba hanomezana seho goavana mety amin’ny mpankafy. Noho izany, tsy tokony hisy na dia iray aza hanadino io fotoana io », hoy i Deba na Rakotovao Patrick, mpitendry gitara. Joyce no namorona ny tarika. Dimy mirahalahy, Deba, Daddy, Joyce, Johnny, Nini no mandrafitra ny tarika.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *