“Rehefa tsy mahafantatra ny tantaram-pirenena dia tsy afaka manapakevitra satria tsy mahafantatra izay nitranga teo aloha fa tahaka mamorona hatrany”, hoy i Helihanta Rajaonarison, tomponandraikitry ny sampam-piofanana tantara any amin’ny oniverisiten’Antananarivo. Nambarany fa “raha mamorona hatrany hatrany dia sarotra ny mandroso satria eo amin’ny toeran’ny mpamorona mandrakariva”. Mikarakara famelabelaran-kevitra arahina adihevitra ny FTHM Consulting sy ny sampam-piofanana tantara eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny 3 sy ny 4 jona 2025, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina ho fampahafantarana ny tantara ara-toekarena nodiavin’i Madagasikara nandritra ny 1300 taona. Mpikaroka malagasy sy vahiny miisa 12 no hanao velan-kevitra momba ny tantaran’ny toekarena malagasy nanomboka hatrany amin’ny vanim-potoana heverina fa niandohan’ny fipetrahan’ny olona voalohany teto amin’ity nosy ity ka mandrak’ankehitriny. Mizara efatra lehibe izany vanim-potoana izany: talohan’ny fitsanganan’ny fanjakana malagasy, ny fanjakana malagasy ka hatramin’ny fiatombohan’ny fanjanahantany, ny fanjanahantany (1896 – 1960), taorian’ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
“Antony hanaovana izao hetsika izao dia hitarihana ny saintsika fa tsy izao hita ankehitriny izao no niandohan’ny tantara ara-toekaren’i Madagasikara fa efa nisy fanao efa hatramin’ny ela. Mihoatra ny 1300 taona no efa nahalalan’ity nosy ity ny fiainana ara-toekarena: efa tafiditra tao anatin’ny fifandraisana arabarotra sy ara-ekonomika. Ny vanim-potoana niandohan’ny fonenan’ny mponina teto dia efa nitondra fomba fanao ara-ekonomika, toy ny fanao ara-pambolena, ny fifandraisana amin’ny ranomasina na ny jono, ny fihazana ary ny endrika fiompiana madinika sy lehibe tahaka ny fiompiana ny omby”, hoy i Helihanta Rajaonarison, nandrita ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety fampahafantarana ity hetsika ity, ny 20 mey 2025. Nilaza izy fa voaporofo ara-tantara fa “ manodidina ny taonjato faha-VII, talohan’izay aza, no nisy olona nanapakevitra nonina teto. Misokatra ho an’ny daholobe, ny tanora, ny mpandraharaha, ny mpanapakevitra ny famelaberankevitra. Nanamafy i Rajaona Thierry, tomponandraikitry ny FTHM Consulting fa ilaina ny fampahafantarana ny tantara ara-ekonomika an’ity firenena ity, indrindra ho an’ny tanora. “Raha vao tsy mahafantatra ny tantara dia tsy afaka hanangana ny ho avy”, hoy izy. Ho hampirantiana an-tsary sy an-tsoratra ihany koa ny fivoaran’ny raharaha ara-toekaren’i Madagasikara nandritra 1300 taona, ny 13 ka hatramin’ny 30 septambra 2025.
Ra-Nirina