Socio-eco

TANORA SY FANDRAHARAHANA: Tetikasa malagasy Plastikôo no nandrombaka ny Prix International Orange Summer Challenge 2024


Lasan’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa Plastikôo ny amboara tamin’ny fifaninanana “Prix International Orange Summer Challenge”, andiany faharoa. Firenena 14 avy eto Afrika sy Moyen-Orient no nandray anjara tamin’ity fifaninanana  nokarakarain’ny Orange Digital Center ity. Ny tetikasa malagasy no nandrombaka ny loka voalohany (tohana ara-bola mitentina 28.000 euros. Nitana ny laharana faharoa ny tetikasa MEPS, mpandray anjara avy any Tunisie. Laharana fahatelo kosa i Cameroun, tamin’ny alalan’ny tetikasa LeevLong. Ankoatra ny tohana ara-bola dia mbola hahazo fampiofanana hampiroboroboana ny tetikasany avy ireo mpandresy sady hampitomboana ny fampahafantarana azy ireo. Miompana amin’ny fanodinana ny fako ho lasa akora fanorenana foto-drafitrasa maharitra ny tetikasa Plastikôo. Amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia famoronana 3D no hanodinana ny plastika ho lasa “biriky”. Hampihena ny fandotoana no tanjon’ny tetikasa. “Reharehan’i Madagasikara izao! Omen-danja  ny talentan’ny tanora Malagasy. Mampiseho ny kalitaon’ny  torohay sy fanohanana omen’ny Orange Digital Center Madagasikara ny loka azon’i Plastikôo”, hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tany Cascablanca Maroc, ny  alakamisy 20 febroary 2025, ny lokan’ireo mpandresy tamin’ny  fifaninanana iraisam-pirenena Orange Summer Challenge (OSC) 2024. Nandray izany ny solontenan’ny Orange Madagasikara, Dina Mallet sy Raharijaona Renaud. Ho fampiroborobana ny fandraharahana sy ny famoronana ary ny fahaiza-manao ara-teknolojia ny OSC. Natao ho an’ny tanora, indrindra ireo liana amin’ny famoronana vahaolana ara-nomerika sy maharitra ary misy fiantraikany ara-tsosialy ny fifaninanana. Afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana ireo tanora mpandraharaha, “développeurs”, mpamorona,  amin’ireo firenena afrikana sy Moyen-Orient ary firenen-kafa ahitana  ny Orange. Fiofanana arak’asa mandritra ny telo volana no azon’ireo tanora ka mandritra izany izy ireo no mamorona tetikasa mifanaraka amin’ny lohahevitra omena. Momba ny fiantraikan’ny teknolojia sy fandraharahana ny lohahevitra tamin’ny taona 2024.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *