Socio-eco

TAGNAMARO TENY AMIN’NY EPP AMBOHIPO: Mamantana sekoly vaovao ireo mpianatra


Nirodorodo teny amin’ny EPP Ambohipo indray ny ratsa-mangaika rehetra mandrafitra ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina (MSK) nanao « tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”, ny 27 aprily 2019. Nanatevin-daharana ny hetsika ireo mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohipo, ireo fikambanana maro toy ny Fandio, Ivoarana… Nizara ekipa maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo ka tao no nisahana manokana ny fandokoana ny atiny sy ivelany ary ny “plafond” an’ireo efitranon-tsekoly miisa 12 amin’ny 16, ny fandokoana ny varavaran-kely sy ny varavaram-be ary ny solaitrabe, ny fandokoana ny ivelan’ny biraon’ny talen-tsekoly, ny fandokoana ny tamboho… Nisy tamin’ireo ekipa no nanala ny lobolobo manodidina ny sekoly. Tao ihany koa no nanamboatra ny zaridainan’ny sekoly tamin’ny alalan’ny fanamboarana ny fefiny, ny fambolena voninkazo vaovao. Ankehitriny, mamantana ny sekoly vaovao ireo mpianatra.
Nambaran’ny talen-tsekoly, Raharimalala Fidelys Voahirana fa feno 57 taona ny sekoly. Hatramin’izay mbola tsy nisy ny fanavaozana ny EPP afa-tsy ny fanamboarana fanampina efitranon-tsekoly, novatsian’ny firenena japoney. “Mitondra fiovàna ho an’ny sekoly izao tagnamaro izao ka maneho ny fisaorana mitafotafo ny ekipan’ny minisitera sy ireo nanome tanana rehetra izahay”. Iray andro monja dia nahavita asa maro ireo mpanao tagnamaro notarihin’ny minisitry serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Ankoatra ireo tonga teny an-toerana dia nanampy ara-pitaovana ihany koa ireo orinasa sasantsasany miasa eto Madagasikara. Tsy ny teto an-drenivohitra ihany no nanao tagnamaro fa saika nahitàna hetsika avokoa nanerana ny Nosy. Ny 17 mey 2019 indray ny fotoana manaraka.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *