Socio-eco

TAFAVOAKA INDRAY NY SOKATRA MALAGASY E !


Sokatra 146 no tratra tany amin’ny seranam-piaramanidina Bombay , Inde. 139 amin’ireo sokake no iantsoana azy, 7 kosa sokatra Angonoke. Araka ny fantatra, 2 no maty, hoy ny tomponandraikitry ny faditseranana ao an-toerana. Raha araka ny fanadihadiana natao, naondrana antsokosoko ireo sokatra ireo izay avy aty Madagascar. Nomarihan’ny loharanom-baovao fa Népal no toerana hanondranana azy fa ny fijanonan’ny fiaramanidina tao Inde no nahitana izao fanondranana antsokosoko izao. Ny mampalahelo anefa dia tsy hita ny tompon’antoka amin’izao sokatra aondrana antsokosoko izao.

Tsy azo antoka intsony ve ny faditseranana Malagasy ? sa misy tomponandraikitra ambony mitondra ny firenena no manome baiko ? satria azo antoka fa tsy olon-tsotra no hahavita izao loza ho an’ny biby eto Madagasikara izao.

Marihana fa ny BBC no namoaka ny vaovao androany.

Nirina R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *