Socio-eco

SYNAD: « Manomboka izao dia miandany amin’ny lalàna velona izahay, tsy mpiasan’ny antoko fa mpiasam-bahoaka »


Hiatrika ny fifidianana Filoham-pirenena i Madagasikara amin’ny 2023. Miantso ny Prefet hanome fahazoan-dalana an’ireo mpanao politika ary ny SYNAD. Manomboka manao fivoriana ireo mpanao politika hanomanana amin’izany.   Miantso ny solontenam-panjakana (Préfet)  manerana an’i Madagasikara ny  Sendikan’ny Administrateur Civil (SYNAD) hanome fahazoan-dàlana ireo mpanao politika rehefa manara-dalàna fa tsy hanaraka baiko politika ary tsy hiandany na amin’iza na amin’iza. « Mahazo alalana dahalo rehefa hetsika ara-politika ka mahafeno fepetra na antoko inona na antoko mpanohitra. Miantso ny namana solontenam-panjakana izahay hanome fahazoan-dalana rehefa mahafeno ny fepetra, anaty toerana mifefy sy azo antoka, tsy atahorana hiteraka korontana.  Izay namanay tsy manome dia helohinay », hoy Raholinarivo Paolo, Filohan’ny SYNAD nandritra fanambarana nataon’izy ireo ny 14 jona 2022. Nambarany fa mpiasam-panjakana, mpiasam-bahoaka ny solotenam-panjakana ka ny lalàna no arahina.  » Manomboka izao dia miandany amin’ny lalàna velona izahay fa tsy mpiasan’ny antoko fa mpiasam-bahoaka. Mijoro izahay hiteny rehefa  misy tsy mety na mpitondra na mpanohitra », hoy izy. Niteny ireo olom-boafidy toy ny Solombavambahoaka  ny Sendikan’ny  Administrateur Civil fa tsy izy ireo no mibaiko azy ireo amin’ny asany sy manana fahefana  hanao famindrana toerana azy ireo.  « Tsy ianareo no mamindra toerana anay. Aza terena hanaraka sitraponareo izahay ». Araka fanazavan’i Raholinarivo Paolo hatrany fa ny Commissaire Général, ny Prefet ary ny Lehiben’ny distrika no solontenam-panjakana eny ifotony. « Misy amin’izy ireo mipetraka amin’ny tranon’akoho, mandeha tongotra. Solotenam-panjakana tsy raharahan’ny Fanjakana ».  Miantso ny Praiministra izy ireo hijery akaiky izany. Ankoatra izay, tsy manaraka ny lalam-panorenana io anarana Governora io fa lehiben’ny faritra no izy ary tokony ho fidiana. Noho izany tokony averina ny rafitry ny faritra ary fidio ny lehiben’ny faritra, hoy izy. Nasiany resaka ihany koa ny Tribunal Spécial Foncier (TSF), very ny tanin’ny malagasy. « Aleonay manohana ny TSF satria ny ankamaroan’ny ady amin’ny fitsarana sy ranomaso latsaka eto dia  ady tany. Raha tsy manana tany izany ny malagasy dia ho aiza?

Ra -Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *