Socio-eco

STARTIMES : Niverina ireo chaînes ankafizin’ny mpanjifa


Fetin’ny paska feno hafaliana. Herinandro vitsy lasa izay dia niverina ao amin’ny televiziona nomerika  StarTimes ireo chaînes ankafizin’ny mpanjifa toy ny Fox, Fox life, National Geogrphic, National Geographic Wild, ESPN, ESPN 2. “Ho an’ireo mpankafy ny taranja basket-ball dia mandefa ireo lalao ataon’ny NBA ny chaîne ESPN. Hampita mivantana ireo lalao baolina kitra toy lalao ara-pirahalahiana  Euro 2020 izay hanomboka ny 12 jona,  ny lalao ampahavalon-dalana faharoa  ny Europe Ligue, ampahefan-dalan’ny  Emirates FA Cup, ny  lalao manasa-dalana sy famaranana ny Copa Italia ihany koa ny ESPN”, hoy ny tale ara-barotry ny StarTimes, Ralai Aina nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 16 martsa 2020 teny Ankorondrano.

Zava-baovao

Iray volana sisa dia higadona ny fetin’ny paska. Tsy mitsahatra mamaly ny filàn’ny mpanjifa  ny televiziona nomerika ho fanomezana fahafaham-po ho azy ireo. Ho an’ny mpankafy series sy sarimihetsika dia niverina ao amin’ny bouquet StarTimes ny châine Nina Novelas.  Nanatevin-daharana ireo chaîne 70 ny  ST Nollywood F izay mandefa ireo series, sarimihetsika afrikana amin’ny teny frantsay, “musique urbaine africaine” ary fandaharana fialamboly. Marihina fa ho toloran’ny orinasa loka ireo mpandresy amin’ny lalao karakarainy ao amin’ny pejy facebook-ny.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *