Socio-eco

STARTIMES: Miverina ny tantara mitohy Brothers amin’ny teny malagasy, mandefa mivantana ny lalao baolina kitra malagasy Pure Play Football


Samy ho afapo ny sokajin-taona rehetra. Mamaly ny fangatahan’ny mpanjifa hatrany  ny Startimes. Ho fanomezana fahafaham-po ho azy ireo dia nampiditra  chaînes vaovao  miisa telo (03) ny orinasa, toy ny BFM TV (mandefa vaovao), ST Movies (mandefa horonantsary amin’ny teny anglisy) ary ny ST Toons (mandefa sary miaina amin’ny teny anglisy sy frantsay).  Zava-baovao atolotry ny Startimes ihany koa ny fitomboan’ny  isan’ny andian-tantara vahiny nandika tamin’ny teny malagasy mandeha ao aminy. Ankoatra  ny “femme légale”, nanomboka nandeha tao amin’ny UP TV, ny herinandro lasa teo (alatsinainy ka hatramin’ny zoma amin’ny 7 ora latsaka fahatelony) dia miampy roa indray ny novelas amin’ny teny malagasy alefan’ity televiziona nomerika ity.  Handeha manomboka ny 21 martsa 2024, ao amin’ny UP TV, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 8 ora latsaka fahatelony ny  série “Two wives”. Miresaka momba ny  fitiavana, fampirafesana ity andian-tantara filipiana ity. Mampihetsipo ny mijery azy satria ho hita ao avokoa ny hafaliana, alahelo, ranomaso… araka ny fanazavan’i Nomenjahary Sissie, tomponandraikitra misahana ny marketing sy contenu ao amin’ny Startimes Média Madagascar, ny 29 febroary 2024, teny amin’ny foibeny Andranobevava. ”Antenaina fa hankafy azy na ny raim-piankaviana na ny vehivavy”, hoy izy. Efa nandrasan’ny maro ihany koa ny fiverenan’ny “Brothers”. Hiverina handeha ao amin’ny Gasystar manomboka ny 18 martsa 2024, alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 7 ora sasany hariva ity andian-tantara filipiana nadika amin’ny teny malagasy ity. Ny saison 4 no handeha amin’izany.

Tsy ho very anjara ny mpankafy baolina kitra. Ao anatin’ny fanatsarana ny tolotra omen’ny Startimes ny fandefasana mivantana ny lalao baolina kitra “Pure Play Football League”. Efa manomboka  ity fifaninanana baolina kitra ho an’ny diviziona voalohany eto Madagasikara ity  ka lalao miisa roa ka hatramin’ny   efatra no handeha ao amin’ny Gasystar , isaky ny faran’ny herinandro (asabotsy sy alahady amin’ny 2 ora).  Mbola hanome fahafaham-po ireo mpankafy baolina kitra ihany koa ny Startimes amin’ny fandefasana ny fandaharana vaovao Koz’Kitra.  Ho fintinina sy fakafakaina ao anaty fandaharana ny tontolon’ny baolina kitra manerantany toy ny Champions league, première ligue,  série A. Nanamafy i  Randrianarivony Nantenaina, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe fa mampiavaka ny Startimes ny fandefasana fandaharana amin’ny teny vahiny maro toy ny teny frantsay,  anglisy, teny sinoa ary “portugais”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *