Socio-eco

STARTIMES – KITS SOLAIRES S35: Mitsinjo ireo tokantrano tsy manana herinaratra any ambanivohitra sy an-drenivohitra


Raha televiziona nomerika no nahafantarana ny Startimes hatramin’izay dia misehatra amin’ny famatsiana «angovo madio» ihany koa ny orinasa ankehitriny.  Mivarotra «kits solaires S35» ny Startimes ho fitsinjovana ireo tokantrano tsy manana herinaratra any ambanivohitra na an-drenivohitra. Maharitra adiny 5 ny famahanana ny «panneaux solaires»  ary mamokatra herinaratra maharitra  ora 9 izay mampandeha takamoa tsy mora vaky (LED incassable) miisa 3. Afaka mamahana ny tenany no sady manazava ny ao an-tokantrano ihany koa ny kits solaires S35 rehefa amin’ny alina. Tombontsoa amin’ny fampiasana ity herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ity ihany koa ny fahafahana mamahana finday.  Vokatra vita fitiliana sy fanamarinana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena manao fitiliana momba ny vokatra sy nahazo fanamarinana tany amin’ny Verasol ny fitaovana mamokatra angovo maitso amidin’ny  Startimes. « Natao itsinjovana ny olona tsy misy jiro na any ambanivohitra na eto an-drenivohitra na rehefa hitsangatsangana  na mandeha any ambanivohitra dia mahazo hazavana rehefa amin’ny alina ny kits solaires S35», hoy Ranaivojaona Felaniaina, Tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Startimes Madagascar, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 27 aprily 2023 teny amin’ny foiben’ny orinasa, Ankorondrano.  Nampahafantarina tamin’izany fa mirary ny «kits solaires»  satria raha 199.000 Ariary izany teo aloha dia nidina ho 179.000 Ariary. Azo aloa tsikelikely ny vidiny:  99.000 Ariary no aloa voalohany ary afaka aloa ao anatin’ny 3 volana ny 38.000 Ariary ambiny. Nanamafy i Ranaivojaona Felaniaina fa ao anatin’ny vinan’ny Startimes ny ahafahan’ny tokantrano rehetra misitraka televiziona nomerika ary manana vina ihany koa ny orinasa, ho afaka misitraka angovo avy amin’ny herin’ny masoandro ny isan-tokantrano sy ny tombontsoa amin’ny fananana izany ao an-trano.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *