Sport

STARTIMES : GasyStar, chaîne malagasy 100% manome lanja ny fanatanjahantena sy kolontsaina


Fanohanana fanatanjahantena sy kolontsaina malagasy. Ao anatin’ny vinan’ny Startimes tamin’ity taona 2021 ity ny fanohanana ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Taorian’ny fandefasana mivantana ny lalao nasionaly momba basketball N1A tamin’ny volana janoary lasa teo dia vokatra vaovao an’ny Startimes indray ny fampidirana chaîne 100% malagasy miompana amin’ny fanatanjahantena sy kolontsaina. Ao anatin’ny bouquet basic chaine 108 amin’ny vidiny 22.000 Ariary isambolana no ahitana ity chaîne ity. Mbola miandry fandaminana kosa ny fampidirana azy ao amin’ny « bouquet sattelitaire ».  » Tao anatin’ny dimy taona voalohany dia niezaka izahay nanaparitaka ny Startimes manerana an’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny vina ho an’ny dimy taona manaraka ity chaîne momba ny fanatanjahantena sy kolontsaina 100% malagasy ity. Amin’izao fotoana izao, laharam-pamehana ho an’ny orinasa ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina », hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes Madagasikara, nandritra valan-dresaka ho an’ny Mpanao gazety ny 29 aprily 2021 teny Antanimena. Nambarany fa misokatra ho an’ireo lalao ara-panatanjahantena toy tsipy kanetibe, baolina kitra, basketball…ary hetsika ara-kolontsaina ity chaîne vaovao ity.

Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny GasyStar, Razatovo Naina fa laharam-pamehana ny fandefasana mivantana ireo lalao ara-panatanjahantena. « Isaky ny federasiona, producteur momba fanatanjahantena na kolontsaina, mpanakanto dia omena 26 minitra maimaimpoana ao amin’ny GasyStar mandritra ity taona ity », hoy izy.

Ra-Nirina


One comment on “STARTIMES : GasyStar, chaîne malagasy 100% manome lanja ny fanatanjahantena sy kolontsaina

  1. Pingback: STARTIMES : GasyStar, chaîne malagasy 100% manome lanja ny fanatanjahantena sy kolontsaina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *