Socio-eco

STARTIMES: Efa mihanoka ny fetin’ny noely sahady ny mpanjifa


Rehefa volana desambra dia fetin’ny Noely no mby ao an-tsaina. Fety manan-danja indrindra ho an’ny mpianakavy tokoa ny Noely  noho izy mampanjaka ny fifampizarana sy ny fifaliana. Efa mihanoka fetin’ny Noely sahady mpanjifan’ny Startimes. Tsy ny ankizy ihany no mahazo hafaliana fa ny lehibe ihany koa. “Mampiala voly avokoa ny fandaharana rehetra alefan’ny Startimes. Ho afak’andro  ny ankizy amin’izao vakansy izao. Afaka miala voly, mijery horonantsary sy tantara mitohy ihany koa ny rehetra.Tsy adino fa afaka manararaotra manaraka ireo fandaharana ara-panatanjahantena i dada rehefa sabotsy sy alahady”, hoy Zafera Joyce, Tomponandraikitrin’ny serasera ao amin’ny Startimes Madagasikara. Ankoatra izany, anisany ankafizin’ny mpanjifan’ny Startimes ny tantara mitohy filipina, nandika amin’ny teny gasy mitondra lohateny hoe « Brothers » andiany voalohany, mandeha amin’ny GasyStar sy Los Bastardos amin’ny UP TV. Hitohy ny fandefasana izany ka afaka manaraka ny andiany faharoa amin’ny Brothers sy “La revanche” amin’ny Startimes ny mpanjifa manomboka amin’ny 19 desambra 2022. Hampitologaga ireo tantara mitohy ireo noho ny firafitrin’ny tantara. Mirakitra tantaran’ny vehivavy iray voafitaka ary mikatsaka ny haka izay azy ny La Revanche. Raha ny Brothers andiany faharoa kosa no resahana dia mampitaintaina tanteraka satria miova tanteraka ny voatoatin’ny tantara. Voaresaka ao avokoa ny tontolon’ny fitiavana, ny tantaram-pianakaviana, ny adiady”, hoy i Zafera Joyce.

Tsy diso anjara ihany koa ireo mpankafy fanadihadiana lalina sy horonantsary fanadihadiana. Nanjohy ity televiziona nomerika ity ny “chaîne” Discovery Channel sy ID. 25.000 Ariary monja isam-bolana dia afaka manaraka ireo karazana fandaharana. Manome fotoana ireo mpanaraka fanatanjahantena ihany koa ny GasyStar, isakin’ny amin’ny 7 ora alina fa ho resahana ao amin’ny fandaharana G-Actus ny vaovao momba ny fanatanjahantena. Handeha amin’ity chaîne 100 % miresaka fanantanjahantena ity ihany koa ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny divizionina voalohany, Orange Pro League, taom-pilalaovana 2022-2023. “ Aoka ianao ho loha-laharana amin’ny fanarahana ny fivoaran’ny mpilalao baolina kitra eto an-toerana, voasafidy handrafitra ny ekipam-pirenena toa an’i Dax, Nina, Tsiry. Ao amin’ny GasyStar irery ihany no misy an’izany, isakin’ny sabotsy sy alahady amin’ny 2 ora sasany”, hoy hatrany i Joyce Zafera. Nohamafisiny fa manatsara hatrany ny tolotra omeny ny Startimes kanefa natao ho zakan’ny rehetra ny sarany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *