Ny StarTimes  no fahitalavitra ofisialy amin’ny taom-pilalaovana 2025–2026 ho an’ireo fifaninanana lehibe indrindra eran-tany amin’ny baolina kitra, toy ny LALIGA, Bundesliga, ROSHN Saudi League ary andrasan’ny maro ny Carabao Cup. Ho hita mivantana sy manontolo ireo lalao rehetra amin’ny fantsona ara-panatanjahantena an’ny StarTimes: ST World Football, ST Sports Premium, ST Sports Life, ST Sports Arena ary ST Sports Focus. Hisy ihany koa ny fitantarana mivantana amin’ny teny malagasy amin’ireo lalao lehibe indrindra amin’ny LALIGA, izay ho hita ao amin’ny UPTV, natokana manokana ho an’ny mpanjifan’ny StarTimes.
Fanavaozana amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro
Ankoatra ny tolotra amin’ny fahitalavitra, mitondra vahaolana vaovao amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina ihany koa ny StarTimes. Panneau H50, azo ampifandraisina amin’ny tambajotran’ny JIRAMA, izany hoe rehefa tapaka ny jiron’ny JIRAMA dia izy no mamatsy ny herin’aratra ao an-tokantrano. Ahitana, Bateria 5 kiloampère, panneaux solaires efatra manana tanjak 550 W, mpanova herin’aratra 5 kw ity Panneau H50 ity.  Izany dia natao hanomezana fahaleovantenan’ny tokantrano amin’ny resaka angovo sy hanatsarana ny fomba fampiasana azy.
Ny StarTimes dia isan’ny mpitarika amin’ny sehatry ny fahitalavitra nomerika sy ny angovo azo havaozina aty Afrika. Miasa amin’ny firenena maherin’ny 30 izy, ary manolo-tena manome kalitao tsara indrindra ho an’ny rehetra, sady mandray anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny teknolojia maharitra.
Ra-Nirina



