Doka

STARTIMES: Anisany be mpankafy indrindra ny “novelas” adika amin’ny teny malagasy


Mitondra zava-baovao hatrany ny Startimes. Tantara mitohy (novelas) filipianina vaovao mitondra ny lohateny hoe “deux coeurs” nadika tamin’ny teny malagasy indray no mandeha ao amin’ny GasyStar nanomboka ny 20 novambra 2023, amin’ny 7 ora sy sasany alina, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma. Mitantara fiainana tovovavy roa mitovy tsy misy valaka antsoina hoe Mona sy Lisa ity novelas vaovao ity. Samy manana ny fiainany izy roa, i Lisa notaizana tao anaty harena sy voninahitra, i Mona kosa tao anaty fahantrana tanteraka. Tafahoana izy roa ao anaty tantara. Mbola misy novelas nadika tamin’ny malagasy ihany koa mandeha ao amin’ny UP TV, isaky ny amin’ny 8 ora sy sasany alina, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma. Nampitondraina ny lohateny “onjam-piainana” io tantara thailandaise io. Samy tantara mitohy anisany be mpankafy indrindra manerantany ireo tantara roa nandika tamin’ny malagasy ireo, araka ny fanazavan’i Nomenjahary Sissie, tomponandraikitra misahana ny marketing sy contenu ao amin’ny Startimes Média Madagascar, ny 20 novambra 2023. Nambarany fa fikarohana vaovao nataon’ny Startimes ny fandikana amin’ny teny malagasy ireo “série” malaza amin’ny teny vahiny ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa. Araka ny fanadihadiana nataon’ny orinasa dia anisany be mpankafy indrindra ny novelas nadika amin’ny teny malagasy. Nomarihany fa mbola hiverina tsy ho ela ao amin’ny GasyStar ny série Brothers, saison 4 izay nampametra-panontaniana ny mpanaraka.

Tolotra fetin’ny noely

Efa manomboka ny fetin’ny noely ao amin’ny Startimes. Ankoatra ny tantara mitohy nadika amin’ny malagasy dia tsy diso anjara ny mpankafy baolina kitra. Handeha mivantana ao amin’ny chaîne GasyStar ny lalao malaza toy ny Bundensliga sy ny Saudi League. Ho an’ny volana desambra, lalao miisa valo no hotantaraina mivantana ka anisany andrasan’ny besinimaro ny lalao miisa telo izay atao ny 3 desambra amin’ny 7 ora sy sasany alina izay hifandonan’ny Bayer 04 Leverkusen sy Borussia Dortmund, ny 9 desambra amin’ny 5 ora sy sasany hariva miaraka amin’ny Eintracht Frankfurt sy FC Bayern München ary ny 17 desambra 2023 amin’ny 9 ora sy sasany alina izay hifandonan’ny FC Bayern München sy VfB Stuttgar. Tsy diso anjara ihany koa ny mpankafy baolina lavalava fa handeha mivantana ao amin’ny Startimes ny lalao iadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja rugby, sokajy lehilahy, manomboka 26 novambra 2023. Zava-baovao ao amin’ity televiziona nomerika ity ihany koa ny fahatongavan’ny chaîne Passion Bollywood, natao ho an’ny mpankafy “série” indianina. “Tsapanay ny maha sarobidy ny fialamboly ka manome tolotra manokana ho an’ny mpanjifa sy izay ho mpanjifa anay ny Startimes mba ahafahana miaina ny fetin’ny noely mahafinaritra. Anisany manana tolotra mora indrindra rahateo ny Startimes”, hoy Randrianarivony Nantenaina, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe. 25.000 Ariary ny vidin’ny bouquet BASIC/SMART fa amin’izao ankatoky ny noely izao ka hatramin’ny volana janoary 2024, raha manao “réabonnement” ka manampy 5000 Ariary na mandoa 30.000 Ariary ny mpanjifa dia afaka misitraka ireo chaînes rehetra ao amin’ny bouquet CLASSIC/SUPER (45.000 Ariary) mandritra ny 30 andro.  Mahazo 10 andro fanampiny kosa raha mandoa “réabonnement”  roa volana mialoha ireo mpanjifa ny CLASSIC/SUPER.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *