Socio-eco

STAGE PRO MIARAKA AMIN’I NICOLAS SANTUCCI: Misokatra ho an’ny mpilalao 10 ka hatramin’ny 25 taona


Mendrika hahazo fampiofanana matihanina. Rehefa avy  nitety ny firenena afrikana maro i Nicolas Santucci dia tonga eto Madagasikara  indray ny tenany hizara ny traikefany ho an’ny mpilalao baolina kitra Malagasy. Mbola misokatra ny fisoratana anarana amin’ny Stage Pro Nicolas Santucci izay karakarain’ny Kintana Football Academy. Afaka misafidy izay fotoana mety aminy ny mpandray anjara na ny herinandro voalohany: alatsinainy 22 febroary ka hatramin’ny zoma 26 febroary 2021 na ny herinandro faharoa: ny alatsinainy 1 martsa ka hatramin’ny zoma 5 martsa 2021. Eny amin’ny  centre d’entrainement an’ny Kintana Football Academy eny Ambohimanga no hanatanterahana ity fiofanana iarahana amin’ny mpanazatra iraisam-pirenena Nicolas Santucci ity. 450.000 Ariary ny saram-piofanana ary efa ao anatin’izany ny fitaterana, ny sakafo maraina, sakafo atoandro, ny cocktail mandritra ny lanonana fizarana ny mari-pahavitam-piofanana. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Kintana Football Academy, Tiana Ranaivoson fa mendrika hahazo fiofanana matihaninia ny tanora Malagasy ka nanapa-kevitra ny filohan’ny Kintana Academy ny hanafatra an’i Nicolas Santucci.  Nilaza ihany koa  izy  fa tsy ho an’ny mpilalao ao amin’ny Kintana Academy ihany ny fiofanana fa misokatra ho an’ny rehetra.

Fanatsarana ny fahaiza-manao

Mpilalao sangany tamin’ny taranja baolina kitra i Nicolas Santucci. Efa 20 taona nanazatra ekipam-pirenena  (Mauritanie, RD Congo, Haïti) sy ny klioba frantsay  toa an’ i Saint-Etienne , Dijon na Louhans-Cuiseaux ary ny klioba afrikana toy an’i TP Mazembe (Congo), Smouha Alexandrie (Egypte), El Merreick (Soudan) izy. Ankoatra izay dia nandray anjara tamin’ny tetikasa foibe fampiofanana baolina kitra (academie de football) tao Mauritanie, Ethiopie ary Cameroun izy. Araka ny fanazavany fa ny tapan’ny maraina amin’ny andro voalohany amin’ny fiofanana dia hisy ny fitsapana ny fahaizan’ireo mpandray anjara mba hahafantarana ny “niveau” an’izy ireo sy ahafahana manome fiofanana mifandraika amin’izany. “Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpilalao tsirairay”,hoy izy.

Nirina R.


One comment on “STAGE PRO MIARAKA AMIN’I NICOLAS SANTUCCI: Misokatra ho an’ny mpilalao 10 ka hatramin’ny 25 taona

  1. Pingback: STAGE PRO MIARAKA AMIN’I NICOLAS SANTUCCI: Misokatra ho an’ny mpilalao 10 ka hatramin’ny 25 taona - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *