Nahatsiaro ireo beantitra ny ben’ny tanàna ny kaominina Ivato, Penjy Randrianarisoa sy ireo mpiara-miasa aminy noho izao taom-baovao izao. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
FAN EDUCATION: Mikarakara ireo mpianatra te ho any ivelany
Oniversite avy amin’ny firenena valo no mandray anjara amin’ny fampirantiana Education Global expo izay karakarain’ny Fan education agency. Continuer la lecture
YALI CHAPTER MADAGASCAR: Mikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy
Haneho ny fomba fijeriny amin’ny alalan’ny sary momba ny fifidianana eto Madagasikara ireo mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP). Continuer la lecture
FIANARANA AMBARATONGA AMBONY: Mampiakatra fari-piainana
Efa namoaka olona ambony nitàna andraikitra lehibe teto amin’ny firenena toy ny ministra, praiministra sy ny maro tsy voatanisa ny fianarana ambaratonga ampitan-davitra CNTEMAD. Continuer la lecture
ASIEF: Tsy ho ela ny andiany manaraka
Naroso ny daty hanatanterahana ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana ho an’ity taona 2019 ity. Continuer la lecture
ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Nahitam-bokany ny ezaky ny fitondram-panjakana
Nahavita ezaka ny firenena Malagasy momba ny ady amin’ny kolikoly tamin’iny taona 2018 iny raha ny indice de perception de la corruption (IPC) navoakan’ny transparency International no jerena. Continuer la lecture
RDJ MOZIKA : Ireo mpanakanto mendrika indrindra
Hetsika natokana ho an’ny mpanakanto Malagasy ny Rdj mozika. Ho fantatra amin’ny Sabotsy 02 febroary 2019 izao ireo mpanakanto mendrika izay mifanina ka ho safidian’ny mpihainon’ny RDJ. Continuer la lecture
FADINTSERANANA MALAGASY: Hohafohezina amin’ny antsasany famoahana entana
Hankalazaina isaky ny 26 janoary ny andro manerantany ho an’ny fadintseranana ka ny “organisation mondiale des douanes” no mikarakara izany. Continuer la lecture
MPONIN’I BONGATSARA: Nivadika foto-drafitr’asa ny hetra naloany
Nanamarika ny taona 2018 ny kaominina ambanivohitr’i Bongatsara ny fanamboarana foto-drafitr’asa. Ao ireo foto-drafitr’asa efa vita, ao ihany koa ireo an-dalam-panokanana.
Vita « pavé » tamin’iny taona lasa iny ny lalana mirefy roa kilometatra ao Ambohipiadanana, fokontany Antsahabe ary ny lalana ao Angodongodona fokontany Ambohibao mirefy iray kilometatra sasany. Nasiam-panamboarana ihany koa ny tetezan-kazo ao Angodongodona ka lasa « béton » izy amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, namboarina ny biraom-pokontany ao Ambohibao. Tsy azo adinoina fa nipetraka ho tantara ny hôpitaly fandidiana vaovao amin’ny kaominina Bongatsara izay notokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny volana aogositra 2018.
Tsy mandeha lavitra intsony ny mponina sy ny manodidina satria hita ao ny fandraisana sy fikarakarana ny vonjy taitra (Accueil-Triage-Urgences), ny fitsaboana ny aretina ankapobeny (Médecine générale), ny fandidiana ankapobeny (Chirurgie générale), ny « opération césarienne » ho an’ny vehivavy hiteraka. Ahitana toeram-pivarotam-panafody sy « laboratoire » ihany koa. Eo an-dalam-panokanana kosa ny « complexe » amin’ny CEG Amboanjombe izay ahafahana milalao « tennis de table », araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ny kaominina Bongatsara, Hanta Rabearisoa. Ireo foto-drafitr’asa ireo no vita dia tao ny fandraisan’anjaran’ny mponina tamin’ny alalan’ny fampidiran-ketra. « Manomboka mazoto ny mponina mandoa hetra », hoy ny ben’ny tanàna. Misedra olana anefa ny kaominina Bongatsara amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny fokontany ao Ambohibao fa mirongatra indray ny hala-botry sy ny vaky trano ary ny halatra taolam-paty.
Lynda A.
Sary
FIRONGATRY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Ilaina ny « fari-bohitra »
Hetahetan’ny sefom-pokontany ao Ambohibao, kaominina Bongatsara Radimy Andriamparany Jeannot ny fametrahana ny « fari-bohitra ». Continuer la lecture



























