Socio-eco

SNAIM: Efa manomboka misy mangirana ny vokatry ny tolona


Sehatra ifampiresahan’ny mpitondra sy ny mpiara-miasa. Notontosaina  ny 12 desambra 2019 teny Antaninarenina ny fametrahana  amin’ny fomba ofisialy ny birao vaovao, hitantana ny SNAIM (sendika ivondronan’ny mpiasan’ny hetra eto Madagasikara). Manana vina ny mpikambana mandrafitra ity birao vaovao ity, araka ny fanazavan’ny filohany, Andriamiarisoa Mamy. “Ny vinan’asa ho entinay ny fametrahana ny “dialogue social” na ny sehatra ifampiresahan’ny mpitondra  sy ny mpiara-miasa”, hoy izy. Nambarany fa voarakitra ao anatin’ny fifanarahana vao avy no nankatoavin’i Madagasikara izany ary misy fifanarahana roa dia ny laharana 151 sy 154 izay miresaka momba ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny mpiasa eo anivon’ny sehatra ara-panjakana. Noho izany, “tsy tokony hisy sakana intsony hipetrahan’ izay sehatra ifampiresahana ny mpitondra sy ny mpiara-miasa izay”.
Nohamafisiny fa hitandrovana sy  hametrahana ny filaminana, fitoniana ao anatin’ny asam-panjakana no anton’ny “dialogue social” satria ilain’ny mpiasa mba ahafahan’izy ireo mamoaka ny tena avy any aminy fa raha ao anatin’ny tsy filaminana, disadisa dia ho sarotsarotra ihany no hahazoana tanjona. Ho fanampin’izay, “raha ohatra mametraka fanavaozana, fandaminana ny mpitondra ka raha ohatra sanatria ny mpiasa mahatsiaro voahilika na tsy resy lahatra fa mitazan-davitra,  dia tsy hisy vokatra azo antenaina izany”.
Ankoatra izay, nilaza ny filohan’ny SNAIM fa efa vita sedra ny sendika tamin’ny fitakiana ho an’ny fanaovana ireny. “Efa misy mangirana ny vokatry ny tolona” hoy izy. Raha ny momba ny  orinasa Ametis izay manao ny asan’ny mpiasan’ny hetra,  efa  fotoana fohy dia hisy ny vahaolana.
Lynda A.


One comment on “SNAIM: Efa manomboka misy mangirana ny vokatry ny tolona

  1. MAHAMARO Félicien

    Manaja sy miarahaba anareo Mpitarika ato @ Snaim,

    Misy fangatahana azo lazaina matomboka ihany ny momba ny famerenana ny DA NA Droit d’ Accises izay efa tapaka nanomboka ny volana janoary 2020 ka mbola tsy niverina hatramin’izao. Ny antony nahatonga ny fahatapahana moa ny fahalalako azy ny « abandon de Poste » izay tsy nahiko noho ny aretina nahazo ahy tamin’ny faramparan’ny taona 2019 iny. Nazony fiverimberenan’ny aretina tosi-drà avo loatra zaho ka saika nanapaka ny lalan-drà madinika sady nampisy takaitra hatrany amin’ny aretim-po. Isaorana aloha Andriamanitra sy ny Razana namonjy nanampy ka efa salama mahavita miasa tsara izaho hatra tamin’izany volana janoary 2020 ka hatramin’izao.Marina fa misy hadisoana izany fa kanefa noho ny hoe 3 Heloka hibabohana mody amin’ny rariny…. » koa mifona aminareo rehetra tapaka sy namana aho fa tsy hamerina intsony ny fahadisona tahaka an’ireny. Misaotra anareo nandray ahy ; fa mba miangavy raha azo atao , ny famerenana amin’ny laoniny ny fahazahoana izany karazany tombotsoa izay mba mety ho azontsika izany…Matoky ny fanohananareo sy ny fahendrenareo havana mpiara-miasa fa somary sempotra aho aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana ampiasaina hantanterahana ny fiainana andavanandro. Manantena ny valiny mahafa-po aminareo no sady mirary soa sy misaotra anareo mialoha avy hatrany. Hoy MAHAMARO Félicien,IM: 317.431, Controleur des Impots , aty amin’ny DRI Atsimo Andrefana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *