Sport

SMATCHIN : eSport, taranja vaovao ahafahan’ny mpianatry ny oniveriste mifaninana


Manamarika ny Smatchin andiany faha-10 ny fisian’ny fifaninanana vaovao miisa roa. Anisan’izany ny fifaninanana jeu vidéo “eSport” sy ny “DJ contest”. Lalao basketball ifanandrinan’ny samy mpianatry ny oniversite no nahafantaran’ny besinimaro ny Smatchin. Mandravaka ny lalao ihany koa ny fifaninanana momba ny hatsaran-tarehy sy bika “Miss et Mister” sy ny  dihy “Dance contest”. Ho tanterahina ny 9 ka hatramin’ny  17 martsa 2024, ao amin’ny kianja mitafo sy lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny andiany manaraka. Noho ny fiarahamiasa amin’ny Orange Madagascar dia hanatevin-daharana ny Smatchin 2024 ny fifaninanana basketball amin’ny alalan’ny jeu vidéo (eSport). Tontosa ny 28 febroary 2024, teny Ankorondrano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny mpikarakara ny lalao sy ny Orange. Efa an-taonany maro ny Orange no nanohana ny fampiroboroboana ny eSport, tamin’ny alalan’ny fikarakarana fifaninanana iraisam-pirenena sy nasionaly ho fanandratana ireo tanora manan-talenta amin’izany. “Mpisehatra lehibe amin’ny fanohanana ny fanatanjahantena ny Orange. Nandritra ny 20 taona dia nandray ny andraikitrany amin’ny lafiny rehetra, momba ny fifaninanana, teo anilan’ny federasiona sy klioba hatrany, tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa izahay”, hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Hisokatra  manomboka ny herinandron’ny 4 martsa 2024 ny fisoratana anarana amin’ny Orange X Smacthin 2K24  ho an’ireo mpianatra liana eSport, araka ny fanazavan’ny mpikarakara.

Fampananan’asa

Noho ny fiarahamiasa ny roa tonta dia ahazo tombony ihany koa ireo mpianatry ny oniveriste  satria ho ampahafantarina mandritra io hetsika io ny tolotra « AÔONNAA ». Tolotra omen’ny Orange mba ahafahan’ny mpianatra manovo fahalalana amin’ny sarany mbola tsy fahita eto Madagasikara izy ity. Ankoatra izany, hanome tohana ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana momba ny tontolon’ny nomerika ao amin’ny  Orange Digital Center sy fandraisana mpianatra hanao fizaran’asa ny Orange. Marihina fa ivon-toeram-piofanana sy oniveriste manerana an’i Madagasikara miisa 40 no mandray anjara amin’ny Smatchin andiany faha-10. Mizara ho ekipa 40 ny sokajy lehilahy ary 20 ny vehivavy, ho an’ny fifaninanana basketball.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *