Socio-eco

SERANAM-PIARAMANIDINA ANTANANARIVO SY NOSY BE: Nahazo voalohany ny fankatoavana momba ny fitantanana etona karbônina teto Madagasikara


Fanapahan-kevitra noraisin’ny ACI Europe ho fanomezana fanamarinana ofisialy  ho an’ireo seranam-piaramanidina momba ny  fitantanana etona karbônina ny ACA na « Accréditation Carbone ». Manampy ireo seranam-piaramanidina amin’ny fitantanana ny karbônina azo refesina ity ACA ity. Faly tanteraka ny Ravinala Airports noho ny fahazoan’ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Nosy Be ny « ACA niveau 1 » satria mifanaraka amin’ny vinan’ny orinasa ny ho seranam-piaramanidina fitaratra eto amin’ny ranomasimbe Indiana amin’ny taona 2025. Voalohany teto Madagasikara no nisy seranam-piaramanidina nahazo an’ity ACA avy amin’ny ACI Europe ity. “Voninahitra lehibe ho an’ny orinasa sy ny firenena izany satria voalohany teto Madagasikara no nisy seranam-piaramanidina nahazo izany”, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Ravinala Airports, mpitantana ireo seranm-piaramanidina roa ireo. Noho ny ezaka nataony sampandraharaha misahana ny kalitao sy andraikitra raisin’ny orinasa amin’ny resaka sosialy (RSE), singanina manokana Razafimahatratra Marius, Tomponandraikitrin’ny tontolo iainana sy fitantanana ambany  ary ireo tomponandraikitra voakasik’izany no niara-nisalahy tamin’ny  fahazoana izany, araka ny fanazavana hatrany. Ao anatin’ny paikadin’ny Ravinala Airports momba ny RSE  ny fironana any amin’ny fanatanterahana ny asa tsy misy fiatraikany ratsy amin’ny tontolo iainana. Ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana dia anisany iraka tanterahan’ny orinasa ny  fanajariana ny foto-drafitr’asa efa misy, ny fanarahana ny fenitra, ny  fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra, ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa mba ahafahana mampitombo ny fahafaham-po amin’ny fomba maharitra sy handraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *