Socio-eco

SENDIKAN’NY MPAMPIASA SY MPIASA MPANDOA LATSAKEMBOKA:Tsy mitombona ny fitokonan’ireo mpiasan’ny CNAPS


Mitaky ny fisokafan’ny biraon’ny CNAPS  tsy misy fepetra ny sendikan’ny mpampiasa sy mpiasa mpandoa latsakemboka. Nisokatra tapak’andro ny birao nanomboka ny zoma 28 jolay 2023 saingy mangataka ny fisokafan’ny izany tontolo andro ireo mpiaramiombon’antoka ary miantso ny fanjakana hifehy ny raharaha. Nambaran’i Rajaona Thierry, Filohan’ny Vondron’orinasa eto Madagasikara (GEM), nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny talata 01 aogositra 2023 teny Ambohijatovo fa latsakemboky ny orinasa sy ny mpiasa no mampiodina ny CNAPS. Miahy ny mpiasa sy mpandray fisotroan-dronono no asan’ny Tahirim-pirenena.  « Mametraka olana maro ho an’ny mpanjifa anefa ny fitokonan’ireo  mpiasa amin’ny CNAPS ary mampametraka fanontaniana  satria ny mpampiasa sy mpiasa irery ihany no mampidim-bola  ao amin’io CNAPS », hoy izy. Nambarany fa tsy mitombona ny grevy ataon’ireo mpiasa satria tsy manaraka ny fombafomba. « Raha ny tokony ho izy dia manome fe-potoana fampitandremana sy mifampidinika aloha izay vao manapan-kevitra mitokona saingy tsy izany no nitranga fa tonga dia nitokona ireo mpiasa. Faharoa manarak’izany, mbola mandray karama ireo mpiasa mitokona », hoy izy. Nilaza anefa izy fa tsy misakana ny fitokonana atao ny fisokafan’ny birao. Tsiahivina fa famoahana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana tany am-ponja no antony fitakian’ireo mpiasa ao amin’ny CNAPS. Nihitatra hoatran’ny sima misioka izany na dia efa nivaly aza fitakian’izy ireo. Niampy teboka roa indray ny antony mbola hitohizan’ny grevy: fanatsaharana ny tsy fahafahan’ny Tahirim-pirenena mampiasa vola amin’ny fikojakojana ilaina amin’ny andavanandro; be loatra vola nampisamborina, izay tsy mbola tafaverina hatramin’izao, toy ny vola nalain’ny Air Mad, SEIMAD, MGH…Ny an’ny kaominina Antananarivo  Renivohitra irery ihany no mba mamerina ara-dalàna ny vola nalainy, araka ny fanazavan’i Andriamamonjiarisoa Noro, mpikambana ao amin’ny Filankevimpitantanan’ny CNAPS.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *