Socio-eco

SENDIKAN’NY FANANANTANY : Manomè 72 ora ho an’ny fanjakana


« Tsy mandà ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana izay manatanteraka ny asany izahay fa tsy tokony atao fomba fanao ny fitazomana vonjimaika. Mahatsapa izahay fa tsy voakitika ireo lehibe nanome baiko fa ny nanatanteraka ihany no voafonja vonjimaika ». Noho izany dia mangataka ireo sendikan’ny controleur des domaine, ny sedikan’ny assistant rédacteur des domaines ary ny mpiasa rehetra manerana ny Nosy mba avoaka ny fonja izy ireo mandrampiandry ny fitsarana sy ny fanadihadiana rehetra.  Hangatahanay noho izany ny famoahana tsy misy fepetra ireo namanay ireo ka manome 72 ho an’ny fanjakana. Ankoatra izay dia mangata ireto sendikan’ny fananantany ireto mba ho ampitoviana ny fomba atao amin’izay rehetra manana andraikitra ao anatin’izao resaka fampidirana amponja ireo naman’izy efatra ireo. « Tsy ny fampidirana am-ponja ny mpiasa mpanatanteraka baiko no atao hoe miady amin’ny kolikoly », hoy izy ireo.

Marihana fa raharaha amin’ny resaka « villa elisabeth » miorina eo amin’ny tany atao hoe « Saint Antoine IV » TN 19.684-A sy ny zaridainan’Antaninarenina no maha voarohirohy an’ireo mpiasan’ny fananantany efatra voafonja vonjimaika. Tao aorian’ny fitsarana teny amin’ny « Pôle Anti-Corruption » (PAC) ny 14 Martsa 2019 lasa teo no nisian’izany famonjana izany.

Tetsy anosy no nanaovan’ireto sendika ireto ny fanambarany ny 27 Martsa 2019.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *