Tsy hijanona ny fitakiana raha tsy voavaly daholo ny fangatahana rehetra, hoy ny solon-tenan’ireo mpiasan’ny fadintseranana tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ny 27 Jona 2018 raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Vao maika aza hihamafy kokoa izany raha ny fanambarany. Nanitsakitsaka indray ny lalàna mifehy sy ny fitsipika anatiny eo anivon’ny fadintseranana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana. Anisany antony mampizirizy ny sendikan’ny mpiasan’ny fadintseranana (SEMPIDOU) hitokona izany.
Mitaky ny fialàn’ny orinasa « AMETIS » sy ny minisitry ny fitantanam-bola izay raisin’izy ireo ho fototra mahatonga ny olana ny SEMPIDOU. Tsy mbola nisy fiovàna hatreto ka izany no nahatonga azy ireo hanamafy ny fitakiana. Tsy hisy intsony arak’izany ny sampana mpiandry raharaha (service minimum) manomboka izao. Tsy manery ny mpiasa izay mbola te hiasa kosa izy ireo ary tsy hanaiky izay fanakatsakana na fampitahorana ny mpiasa amin’ny tolona izay ataony.
Mamitoky (Stagiaire)