Socio-eco

SEKRETERA JENERALIN’NY SSM: Zo ny karama ka tsy fangataka


“Raha vao mihoatra ny folo andro ny tsy fandraisan-karama dia tokony hihazakazaka hanao fitarainana any amin’ny sendika ny mpiasa mba ahafahana manao fitakiana any mpampiasa” hoy ny sekretera jeneralin’ny randram-baon’ny sendikalista eto Madagasikara (SSM), Barison Rakotomanga. Manaraka akaiky ny raharaha tsy fandoavana ny karaman’ny mpiasa ao amin’ny ONG CITE ny randram-baon’ny sendikalista eto Madagasikara (SSM) amin’izao fotoana izao. Nambaran’i Barison Rakotomanga fa hiakatra fitsarana ny 29 novambra 2018 ity raharaha ity. Tsy mitovy amin’ny fitsarana momba ny asa toy ny mahazatra izy ity fa rehefa vita fotoam-pitsarana  manao “déliberation” ny fitsarana ary handrasana eo ihany ny didy. Mahatoky ny fitsarana ny SSM manoloana ity raharaha an’ny CITE ity satria zo no takiana.

Nanamafy ny sekretera jeneralin’ny SSM fa zo ny karama. Noho izany, tsy hangatahina fa takiana. Raha tsiahivina, valo volana ny mpiasan’ny ONG CITE izay teny Ambatonankanga ny foibeny taloha no tsy nandray karama. “Ry zareo no te hiasa nefa tsy mandray karama no navalin’ny mpampiasa tamin’ny gazety”, araka ny fitantaran’i Barison Rakotomanga. Raha nojereny akaiky ny raharaha dia efa tamin’ny 12 aprily 2018 no nanomboka nitaky ny mpiasa saingy resaka am-bava fotsiny no nataon’ny mpampiasa hatramin’izay fa hojereny akaiky ny karaman’ireo mpiasa ireo. Andraikitry ny sendika  ny mitaky ny zo ny mpiasa raha toa ka mahita mpiasa tsy mandray karama na ampifilafilan’ny mpampiasany ny fandoavana ny karamany.

Tsy maintsy manao fitarainana aloha ny mpiasa vao afaka mandray andraikitra ny sendika. Mbola marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Nanantena fiovàna tamin’ny fanendrena ny praiministra Christian Ntsay izay mahafantatra tsara ny tontolon’ny asa ny sendika. Tsy nisy anefa izany hatramin’izao. Hanolotra ny vina sendikaly 2019 –2024 ho an’izay filohampirenena vaovao ho lany eo fivondronamben’ny sendika eto Madagasikara ho famahana ny olan’ny mpiasa Malagasy.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *