Socio-eco

SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina


Vokatry ny fanafihan-dahalo matetika. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny ONG Blue Ventures dia vita soamantsara ny fanamboarana ny EPP tao amin’ny tanànan’ny Mokotra, faritra Menabe. Notontosaina ny 17 septambra 2020 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ity Sekoly Telma faha-78 ity.Tao anatin’ny fanajana ny fenitra  tanteraka no nanamboarana ny sekoly ka efitrano fianarana telo, efa misy fitaovana toy ny latabatra, dabilio, trano fivoahana sy fidiovana ary lavan-drano no hita ao anatin’izany. Ankoatra ny tohana ara-bola sy ara-pitaovana avy amin’ny fandaharan’asa Sekoly Telma dia nandray anjara tamin’ny asa fanamboarana  ny EPP Mokotra ny ONG Blue Ventures sy ny mponina tao an-toerana. “Afaka mandray mpianatra 150 isa ny sekoly manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy eo, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation Axian”, Rajemison Dina. Nambarany ihany koa fa nanaiky ireo manam-pahefana any an-toerana toy ny Governoran’ny faritra, ny faripiadidiam-pampianarana fa handray an-tanana ny fandefasana mpampianatra telo sy fanomezana latabatra sy dabilio miisa 75.

Fandaharan’asan’ny Fondation Axian ny Sekoly Telma ho fampitomboana ny tahan’ny zaza miditra an-tsekoly sy fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Miara-miasa amin’ireo fikambanana eto an-toerana sy any ivelany izy. Teo anelanelan’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019 dia sekoly Telma miisa 77 no namboarina manerana an’i Madagasikara ary ankizy tokony hianatra miisa 15.000 no nisitraka mivantana izany. Raha ny ONG Blue Ventures kosa no resahana dia fikambanana miasa amin’ny sehatry ny tontolo iainana manohana ny velontenan’ireo mponina any amorontsiraka ho fiarovana ny harena an-dranomasina ho lovainjafy. Ny taona 2005 izy no tonga teto Madagasikara ka any Ambanja (DIANA), Besakoa (Boeny), Maintirano (Melaky), Belo sur  Mer (Menabe)  ary Andavadoaka (Atsimo Andrefana), no toerana iasany.  Araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny fikambanana tamin’ny taona 2018 dia fantatra fa ankizy 146, eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 14 taona no tsy mankany an-tsekoly ao amin’ny tanàna telo ao amin’ny faritra Menabe: Belalanda, Marovitiky sy Mokotra.  Ny rejistran’ny DREN (Direction Régionale de l’Éducation Nationale) Menabe ihany koa dia milaza fa nisy EPP tao Belalanda ary vita tamin’ny vondro saingy potika izany ny taona 2013 ary tsy nasiam-panamboarana mihitsy. Tsy nety nampianatra ireo mpampianatra nalefa tany noho tsy fisian’ny foto-drafitr’asa. Voatery mandeha mamonjy sekoly andehanan-tongotra mandritra ny 45 minitra ireo ankizy. Noho ny fanafihan-dahalo matetika anefa dia tsy mahafohy mandefa ny zanany  an-tsekoly ireo ray aman-dreny.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *