Socio-eco

SEKOLY NOTRE DAME DE FATIMA AMBOHIMIRARY : Hiezaka hanao tsaratsara kokoa amin’ny 50 taona manaraka


Naorina ny sekoly mba tsy ho tapaka ny fianaran’ny ankizy. Natomboka tamin’ny fomba ofisaly ny 20 Desambra 2020 ny fankalazana ny taon-jaobily faha 50 taonan’ny sekoly Notre Dame de Fatima Ambohimirary ary hitohy amin’ny taona 2021 izany. Tamin’ny alalan’ny sorona masina lehibe teny amin’ny Ekar Notre Dame de Fatima Ambohimirary no nankalazana izany. Tonga niombom-bavaka ireo mpianatra rehetra ao amin’ny sekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Notokanana tamin’ity fankalazana taon-jaobily ity ny toerana filalaovan’ny ankizy kely ahitana ireo fitaovana filalaovana isan-karazany teny amin’ny sekoly. Nisy ihany koa ny fiaraha-misakafo ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpisehatra rehetra eo amin’ity sekoly katolika ity. Narahina fampisehoana nataon’ny mpianatra tranainy ( mainty molaly) izay nampisehoan’izy ireo an-kira ny fiainany nandritra ny fotoana nandraton’izy ireo fahaizana teo amin’ny sekoly. Teo ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo mpianatra ankehitriny, ny ray aman-dreny…..

50 taona ny sekoly

In-telo niova ny anarany nandritra izay fotoana izay. Ny 13 Jona 1988 nitondra ny anarana kolejy fo masin’i jesoa. Ny  11 Novambra 1992, école Paroicial Notre Dame de Fatima ary Lycée Privé Notre Dame de Fatima ny taona 2010 rehefa niorina ny lisea. Tany ampiandohana, Oktobra  1970 ka hatramin’ny  septambra 1988 dia niankina tamin’ny sekoly masidahy Bosco teny Mangasoavina ny sekoly.

Nandritra ny telo taona  no nananganana ny sekoly ka heripon’ny kristianina tao am-piangonana no nahavita izany. Antony nananganana ity sekoly ity dia ny tsy maintsy nandrodanana ny fiangonana fa hanao fiangonana lehibe kanefa tao ny mpianatra no nianatra.

Nanomboka ny taom-pianarana 1994-1995 dia natolotry ny fiangonana ho tantanan’ny fikamban-dry masera Saint Joseph d’Aoste ary mbola  izy ireo no niandraikitra izany hatramin’izao fankalazana ny faha 50 taona izao. Miisa enina ireo masera nitantana ny sekoly hatramin’izao,

Ny taona 1994-96 : Masera Lalaoarisoa Odette Miarinirina

Ny taona 1996-2004 : Masera Rabodomanana Marie France

Ny taona 2004-2005 : Masera Raeliarimalala Rosette

Ny taona 2005-2011 : Masera Lalaoniriana jeannine

Ny taona 2011-2016 : Rasoalanto lidvinne

Ny taona 2016 hatramin’izao : Andriariniry Jesus

Talohan’ireo masera ao amin’ny fikambanana Saint Joseph d’Aoste kosa dia i  Jean Gérard Yves Ranaivoson  no nitantana ny sekoly ny volana septambra 1988  ka hatramin’ny septambra 1991. Rakotomalala kosa no talen-tsekoly ny 11 Novambra 1992 ka hatramin’ny taona 1994.

Nitombo tsikelikely ireo foto-drafitrasa, nitombo niaraka tamin’izay ihany koa ireo mpianatra sy mampianatra, toy ny fisian’ny enseignement ménagère ny taona 1995-2005. Fahavitan’ny efitrano malalaka vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny mopera Nicolas curié tamin’izany sy mopera Pascal tamin’ny misionera italiana tany alimana.  Fahavitan’ny trano fisakafoanana ho an’ny mpianatra, fanatsarana ny trano famakiam-boky, fahavitan’ny trano Lycée sy ny laboratoire, fanatsarana sy fahavitan’ny birao ho an’ny mpandraharaha sy salle de prof. Fanatsarana ny salle d’informatique, fanitarana sy fanatsarana ny toeram-pidiovana, fanatsarana sy fanadiovana ny lokon’ny tamboho.

Eo amin’ny kalitaon’ny fampianarana kosa indray dia azo tarafina amin’ny voka-panadinana izany. Vokam-panadinana BEPC voalohany natrehan’ny sekoly ny taom-pianarana 1995 -19 96 dia 52,8% ny afaka na 25 amin’ireo 48 nanala. Ny bakalorea voalohany nataon’ny mpianatra tamin’ny taom-pianarana 2011-2012 dia 67,94%, mpianatra 53 tamin’ny 78 no afaka. Ny CEPE na BEPC saika nahazo ny valim-panadinana 100% na latsaka kely avokoa. Ohatra amin’izany ny tamin’ny taom-pianarana farany teo, 2019-2020, mpiadina CEPE 109 amin’ny 111 na 98,19%  no afaka. BEPC, mpianatra 81 no afaka amin’ny 90 na 89,1%. Bacc serie A1, mpianatra 3 aminy 3, 100% no afaka. Bacc Serie A2, afaka daholo izy 48 (100%). Serie C, mpiadina 9 amin’ny 11 na 81,81% no afaka. Serie D, mpianatra 19 amin’ny 20 no afaka na 95%. Mention très bien iray, Bien 17 ary assiez bien 40.

Marihana fa nitokana ny trano sekoly ny taona 1970, monseigneur Gérôme Rakotomalala. Mopera curie ny Ekar Mangasoavina, mopera Jean Baptiste rakotovao sy ny vikerany mopera Carson, ny ministra Gabriel Ramalanjaonina ny avy amin’ny fanjakana ary ireo ray aman-drenin’ny fiangonana tamin’izany izay notarihan’ny filoham-piangonana Ramanantsoa Jean sy ny kristianina maro be.

Nirina R.


One comment on “SEKOLY NOTRE DAME DE FATIMA AMBOHIMIRARY : Hiezaka hanao tsaratsara kokoa amin’ny 50 taona manaraka

  1. Pingback: SEKOLY NOTRE DAME DE FATIMA AMBOHIMIRARY : Hiezaka hanao tsaratsara kokoa amin’ny 50 taona manaraka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *