Socio-eco

Sekoly Fitahiana Antohomadinika : Nakatona aloha.


Ity no tonga amin’ny fitenenana hoe :  «  ny lehibe no miady ka ny ankizy no voaporiporitra ». Tao aorian’ny fanalana ny mpitandrina ANDRIANANTENAINA Alain De Néri ao amin’ny fiangonana METM Zoara famonjena Antohomadinika izay tsy nahomby sy ny nametrahan’ny  foiben’ny METM « Misiona evanjelika Teratany eto Madagasikara » ny  tale vaovao ao amin’ny sekoly fitahiana, tsy maintsy nakatona ny sekoly amin’ny fotoana voafetra. Nisy ny fivorian’ny  mpandray  ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny METM Zoara famonjena Antohomadinika androany Alahady 04 Martsa 2018 izay nanapa-kevitra fa mikatona aloha ny sekoly mandritra ny fotoana  handaminana sy hamerenana ny ara-dalàna. Tonga teny an-toerana  ny vaditany nanatanteraka izany niaraka tamin’ny mpisolovava ny fiangonana. Atao ny fanadiovana ny ambaratonga rehetra na ny mpampianatra izany na ny mpandraharaha mba hisian’ny fitoniana sy filaminan-tsaina ho an’ny ankizy. Nahato ihany koa ny asan’ny Talé tsy ara-dalana mandra-pivalin’ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Noho ny tombontsoan’ny mpianatra,  nekena ny toromarika nomen’ny cisco Antananarivo renivohitra ny amin’ny fanadinana CEPE izay efa voapetraka. Eo amin’ny fanadinana BEPC kosa,  ny Tale ara-dalàna Ramatoa RASAMOELIARISOA Verohanitra irery no manana fahefana hikarakara izany. Atao peta-drindrina manomboka anio ny ora sy ny fotoana hanaovana izany.

Tetika ataon’ny Foibe hakana ny sekoly

Manahy ireo mpandray ny fanasan’ny tompo ireo fa misy tetika ataon’ny Foibe hakana io sekoly izay naoriny izy ireo io. «Tsy hekenay na oviana na oviana mihitsy izany . Raha nanorina  ny sekoly izahay tamin’ny taona 2009 dia ny fiangonana manontolo no nisalaha sy nifandrimbona teo amin’ny  asa na tamin’ny fitadiavana loharanom-bola hanatanterahana izany ». Rehefa avy nahilika tany amin’ny mpitandrina  ny rihitra noho ny resaka fanodikodinam-bola izay nataon’ny mpitantana tao amin’ny sekoly,  ny mpianatra indray ankehitriny no tadiavin’ny foibe hanaovana antsojay.  « Efa misy ny fahazoan-dalana hisokatra  izay misoratra amin’izay nanorina ny sekoly.  Nahoana no olon-kafa izay tsy nahazo ny fankatoavan’ny mpandray fanasan’ny Tompo izay fahefana faratampony ato amin’ny Fiangonana no handeha hanao sonia ny antonta-taratasy ny mpianatra any ? » hoy  ny solontenan’ny fiangonana nametra-panontaniana. Mandroso  ny fotoana tokony hikarakarana ny « dossier » -ireo mpianatra hanala fanadinana ka mangataka fihaonana maika amin’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena  ny ray aman-dreny sy ny fiangonana mba hamahana haingana ity olana ity. « Mangataka ny ministera sy ny sampandraharaha misahana ny fanabeazana izahay mba tsy hanaiky ho rebirebena amin’izany » hoy ny solontenan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fiangonana. Araka ny vaovao voaray  ihany dia tsy ity sekoly ity sy ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana METM Zoara famonjena Antohomadinika  ihany no efa nianjadian’ny izao fanaparam-pahefana ataon’ny foibe izao fa ny mpitandrina rehetra izay nanana vina tamin’ny fananganana sekoly. Efa noesorin’izy ireo tamin’ny toerany avokoa tamin’ny alalan’ny jadona ary efa noraisiny avokoa ny fitantanana ireny fotodrafitrasa ireny. Anisan’ny izany ny tany Antsiranana sy tany Amparafaravola.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *