Socio-eco

SECES sampana Antananarivo: Hamolavola rafitra hampiombona ny Malagasy


Mikorontana tanteraka ny any andohan’ny vahoaka Malagasy mahita sy maheno ny zava-misy eto Madagasikara. Noho izany, hanatanteraka fivoriana mikato-trano ny alakamisy 16 Mey 2018 ny SECES sampana Antananarivo hamolavola rafitra, lamina mato-paika ary mahomby. Heverin’izy ireo fa hampiombona ny Malagasy izany. Eo amin’ny lafin’ny politika, mangataka ny fialan’ny mpitondra sy ny rafi-pitondrana isan-tsokajiny izy ireo. Ankoatra izany, mitaky ny hisian’ny fitondrana tetezamita hikarakara fifidianana. Tsy miandany amin’ny atsy na aroa na firehana politika ny mandrafitra izany fitondrana izany. Teknisianina madiodio noho izany ny mitantana ny tetezamita. Hiasa fotoana fohy ka tsy hiotra ny 18 volana. Asa ataon’ny tetezamita ny hanatanteraka fikaonan-doham-paritra sy fikaonan-doham-pirenena miainga any amin’ny fototra. Eo ihany koa ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena sy fampihavanana ny samy Malagasy amin’ny tantarany. Dinihina amin’io koa ny rafitra sy ny lalàna samihafa eto amin’ny firenena. Maneho ny heviny ihany koa ny SECES sampana Antananarivo amin’ireto vahiny mpanelanelana tonga eto amintsika ireto. “Lavinay ny fitsabahan’ny any ivelany ny raharaha toka-tranon’ny Malagasy”, hoy ny filohan’ny SECES sampana  Antananarivo, Profesora Ravelonirina Sammy Gregoire.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *