Socio-eco

SECES: “Herinandro maty” manerana ny oniversitem-panjakana enina


Hamoaka fehin-kevitra nasionaly. Manomboka androany 16 desambra  ka hatramin’ny 23 desambra 2019 ny “herinandro maty” ataon’ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra). Nambaran’ny filoha nasionaly mpisolo toerana, Dr Randriamialinoro Faly fa manerana ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana miisa enina ity hetsika ity. Mikatso tanteraka noho izany ny fampianarana amin’ireo oniversite ireo. Raha ny hita tamin’ity andro voalohany ity dia niverina nody avokoa ireo mpianatra teny Ankatso. Araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny sendika fa teboka fito ny fitakian’ny SECES ary  “efa misy ny mandeha fa misy ihany koa ilay tsy hita mihitsy ny fandehanany, ao anatin’izany ny “indemnité de recherche et d’investigation” ho an’ireo mpikaroka misotro ronono, “heure complémentaire 2ème tranche  2016-2017” ho an’ny eto Antananarivo,  ny lalàna izay tokony efa dinihana satria efa niroso  amin’ny LMD isika tao anatin’ny 4 na 5 taona kanefa mbola lalàna taloha ihany no  mifehy ny  mpampianatra sy ny fampianarana.  Ankoatra izany, tsy manaiky ny fanapahan-kevitra navoakan’ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa momba ny fanafoanana ny fanaovan’ny mpianatra tohan-kevitra  hahazoana ny diplaoma LICENCE ny sendika. “Mampiakatra ny fahalalan’ny mpianatra ny fanaovana tohan-kevitra”, hoy Randriamialinoro Faly.
Miankina amin’ny dinika atao amin’ny fanjakana sy ny ministera mpiahy (ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola, ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa) ny tohiny tantara aorian’ity “herinandro maty” ity. Rehefa hita fa miroso tokoa amin’ny famahana izany ny fanjakana ary tsy hanao fampanantenana poakaty tahaka natao hatramin’izay dia miroso amin’ny fampianarana  ireto mpampianatra ireto. Fanampin’izay voalaza rehetra izay dia hanantanteraka filan-kevitra nasionaly ny SECES sampana enina, rahampitso 17 desambra 2019 atao eto Antananarivo. Saika natao tany Fianarantsoa izy ity saingy noho ny zava-nitranga tany dia voatery natao teto Antananarivo izany. Efa tonga avokoa ny solontena isam-paritra. “Amin’ny alalan’io izahay no hamoaka fehin-kevitra nasionaly”.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *