Socio-eco

SECES ANTANANARIVO: Mampitandrina ny mpitondra fanjakana ambony manao kolikoly amin’ny fampidirana olona ho mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra


Tontosa ny 09 martsa 2022 teny Ankatso ny fivoriamben’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (SECES) sampana Antananarivo.  Fivoriambe voalohany taorian’ny fifidianana birao vaovao natao tamin’ny taona 2021 izy ity. Tapaka tao anaty fihaonana fa hisy ny Filankevi-pirenen’ny SECES (Conseil National) faran’izay haingana  andraisaina fepetra hentitra sy mandroso vahaolana mafonja ho an’ny fitondram-panjakana manoloana ny fandavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana  (HCC) ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ny foibem-pikarohana nasionaly. « Vahaolana ahafahana manatsara sy manome hasina indray ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa indrindra ahafahana mitandro maharitra ny filaminana ara-tsosialy eny amin’ny anjerimanontolo  io tolo-dalàna nataon’ny Ministera mpiahy ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny izay natolotry ny Solombavambahoaka Rasoazananera Marie Monique io », hoy i Profesora Ravelonirina Hanitriniaina Sammy Grégoire, Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.

Iharan’ny tsindry ny tomponandraikitry ny ministera

 Voaresaka tao anatin’ny fanambarana nataon’ny SECES Antananarivo ihany koa ny fisian’ny kolikoly sy tsindry ataona mpitondra fanjakana sasantsasany mba hampidirana olona ho mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra. « Mampitandrina mafy ny mpitondra fanjakana ambony sasantsasany ny SECES Sampana Antananarivo, mba hampitsahatra tsy misy hatak’andro ka handevina impito mandifotr’olona ny fomba fanao mamohehatra amin’ny fanaovana tsindry sy fanararaotam-pahefana miendrika kolikoly amin’ny tompon’andraikitry ny MESupReS eo amin’ny fampidirana olona ho mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra ». Ankoatra izany dia mitsipaka ny naoty navoakan’ny Ministeran’ny toe-karena sy ny vola ho fanakatonana ny  “comptes bancaires” an’ireo “Facultés, Etablissements d’Enseignements Supérieurs” eo anivon’ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny 30 Aprily 2022 izao ny Sendika. Nambaran’izy ireo fa « endrika fanapotehana sy fanosihosena ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly » izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *