Hiarovana ny olona tsy ho lasa adala fa hanana fiainana tony sy milamina. “Hita fa miha betsaka ny olona marary fo, te hamono tena, donam-pahoriana, voadonam-pitiavana, be rari-tsaina noho ny asa…”, hoy i Rajaona Toky, coach en développement personnel . Mikarakara hetsika “santé mentale positive” ny Rotary District 9220 ho fanampiana ireo olona mila tohana ara-tsaina. Manerana ireo firenena eto amin’ny Ranomasimbe Indiana no hanatanterahana ny hetsika. Ny 24 febroary 2024 eny amin’ny Radisson Blu – Tana Water Front Ambodivona no hanatanterahana izany ho an’i Madagasikara. Manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina miisa 30 toy ny psychologue, psychothérapeute, coach en développement personnel, bien-être, nutritionniste… no hanao famelabelaran-kevitra, hanoro ny tsirairay izay mila fanampiana mandritra ny tontolo andro. “Tsara manatrika an’io ny olona miasa any amin’ny birao iharan’ny stress. Tanora lahy na vavy mahatsapa ho mora marary fo, manana olana ara-pihetseham-po, matetika miady saina”, hoy i Rajaona Toky, komity mpikarakara ny hetsika. Raha ny tena izy dia tsy ho voaloa ny faktioran’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina ireo raha samy handefa izany izy ireo fa amin’ny maha asa fanasoavana ataon’ny Rotary azy dia 20.000 Ariary monja ny fandraisana anjara dia afaka misitraka fihaonana, fizarana miaraka amin’izy ireo mandritra ny tontolo andro, araka ny fanazavany.
Mba tsy ho lasa adala
Nanamafy i Profesora Andriamanarivo Lalatiana, Officier du district 9220 fa ny fahasalaman’ny saina dia tsy resaka areti-tsaina na fahadalana ihany. “ Isika mieitreritra fa vao miresaka fahasalaman’ny saina dia fahadalana ka lasa voahilikilika eny anivon’ny fiarahamonina. Hanazavana ny atao hoe santé mentale positive no tanjon’ity hetsika ity ary hanasàna ireo olona mitady fiainana milamina sy tony satria misavorovoro tanteraka, ao anatin’ny savorovorom-piarahamonina na any amin’ny toeram-pianarana na toeram-piasana na tokantrano. Hanasàna ny olona mba hiarovana amin’izay hoe ho lasa adala izay ihany koa no tanjon’ny hetsika”, hoy izy. Nomarihany fa laharam-pamehana ho an’ny Rotary International ny fahasalaman’ny saina.
Ra-Nirina
HORONANTSARY: