Non classé

SAMOELA SY RABOUSSA : « Revy milay be »


Hanakoako ny tonon-kira mahitsy sady mivantana. Sambany no hiaraka hampirevy ny mpankafy ao antsahamanitra i Samoela sy Raboussa. Alahady 08 Mey 2022 amin’ny 2 ora sy sasany tsy diso ny fotoana amin’ny mpankafy ireo mpanakanto fantatry ny be sy ny maro ireto. Hisokatra amin’ny 11 sy sasany ny vavahady. Mifanakaiky ny hira satria samy mahitsy ny tonon-kira, azo antoka noho izany ny mirevy Raboussa mirevy Samoela. Ny GIAN EVENT no mikarakara ny hetsika. Na aiza na aiza dia azo atao tsara ny mividy sy mahazo ny tapakila eo no ho eo. Eo noho izany ny ticketplace hanamora ny fahazoana ny tapakila amin’ity fampisehoan’i Samoela sy Raboussa ity. Miditra amin’ny tranokalan’ny ticketplace, , www.ticketplace.io, amin’ny alalan’ny carte visa na mastercard ny handoavana ny vola. Eo ihany koa ny fidirana ao amin’ny kaonty facebook  ny ticketplace mividy izany tapakila izany izay aloha amin’ny karazana mobile money rehetra misy eto Madagasikara. Ankoatra izay dia misy ny toeram-pivarotana tapakila, ticketplace Machine la citie Ivandry, akoor’ digue, smart Tanjombato ary Nectar ankaditapaka. Eny an-toerana mbola hisy ny fivarotana ny tapakila.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *