Ho fanandratana ny vita malagasy. Mampivondrona ireo mpisehatra momba ny toeram-ponenana ny « salon international de l’habitat » na SIH. Orinasa mihoatra ny 120 no mandray anjara amin’ny SIH andiany faha-25. Nanomboka ny 19 oktobra ka hatramin’ny 22 oktobra 2023, eny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato no hanatanterahana izany. Ho hita eny toerana avokoa ireo akora na fitaovana na tolotra momba ny toeram-ponenana, manomboka amin’ny akora ilaina amin’ny fanamboarana trano (simenitra vy, hazo, vato, loko…), kojakoja ilaina amin’ny fanaingoana ao anatiny sy ivelany ny trano, angovo azo amin’ny herin’ny masoandro, tolotra momba ny fanamboarana trano, ka hatrany amin’ny tolotra momba ny trano sy tany.
Mampiavaka ity andiany ity ny fihenambidy goavana atolotrin’ny mpandray ho fanamarihana ny jobily volafotsy nikarakarana ny SIH, araka ny fanazavan’i Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny hetsika karakarain’ny Hazovato. Eo ihany koa ny fisian’ny toerana manokana hampirantiana ireo zavabaovao momba ny toeram-ponenana, tsara kalitao sy miaro ny tontolo iainana. « Tanjon’ny salon international de l’habitat ny fanandratana ny vita malagasy sy fampahahafantarana ireo zavabaovao momba ny toeram-ponenana », hoy i Gérard Monloup, Filohan’ny Hazovato Forello Expo, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Manohana ny hetsika ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Ra-Nirina