Socio-eco

SALON INTERNATIONAL DE L’HABITAT 2023 : Niitatra ny lalam-barotra, nanararaotra nividy entana ny mpitsidka


Afa-po ny mpandray anjara sy ny mpitsidika. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara ny « salon international de l’habitat ». « Afapo ny mpandray anjara  izay nitondra ny entany, ny fahaiza-manaony, ny servisy hananany. Nahalafo entana sy nahazo laharan’ny findain’ireo mpanjifa vaovao  izy ireo. Ho fanitarana ny lalam-barotra rahateo no tena tanjon’ny hetsiak tahaka itony. Afa-po ihany koa ny mpanjifa, ny mpitsidika  hetsika satria nisy ny fihenam-bidy nahafahana nanararaotra nividy entana», hoy i Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny hetsika karakarain’ny Hazovato nandritra ny famaranana ny SIH 2023.

Mankalaza ny faha-25 taona nisian’ny hetsika. Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpandray  anjara ka orinasa 60 no nahazo izany . Orinasa efa nandray anjara nihoatra ny dimy (05)  taona sy 10 taona tamin’ny « salon international de l’habitat », ny 30 tamin’ireo nahazo mari-pankasitrahana. Orinasa vaovao sy ankafizin’ny mpitsidika indrindra ny 30 ambiny. Rehefa nanontaniana ny mpitsidika dia ny orinasa Somalaval, misehatra amin’ny loko no nankafizin’izy ireo. Ny lafiny vidin’entana, ny fampirantiana sy ny fandraisana ny fanontaniana napetraka tamin’izy ireo.

 Mihoatra ny 15.000 ny mpitsidika nandalo teny amin’ny  « salon international de l’habitat », andiany faha-25. Orinasa 120 misehatra amin’ny toeram-ponenana (akora ilaina amin’ny fanamboarana trano, tolotra momba ny trano sy ny tany, fitaovana na tolotra amin’ny fanaingoana ny anatiny sy ivelany ny trano, ny zaridaina…) no nandray anjara nandritra ny efatra’andro.  Nanomboka ny 19 oktobra ny hetsika ary nifarana omaly 22 oktobra 2023, teny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *