Antony maro no mahatonga ny tanora malagasy mandranto fianarana ambaratonga ambony any ivelany, araka ny fanadihadiana nataon’ny Mada Jeune tamin’ireo « salon des études internationales » andiany 14 teo aloha. Valinteny azo tamin’izany ny hoe : afaka mahita asa tsara kokoa, misy lalam-piofanana tsy misy eto Madagasikara, mahazo lanja ny fampiharana fa tsy mijanona ho an-databatra (théorie) fotsiny fa indrindra ahitana soa fanararaotra hafa. Nambaran’i Rajaonah Haingo, Tomponandraikitra ao amin’ny Mada Jeune, mpikarakara ny hetsika momba fampianarana ambony fa anisany mahatonga ireo tanora malagasy manohy ny fianarany any ivelany ihany koa ny fitiavana te hamantatra ny kolontsaina hafa. « Tsy azo lazaiana ho mora ny fanohizana ny fianarana any ivelany fa tsy sarotra be ihany koa fa miankina amin’ny tanjon’ny ankizy ihany io. Mila manana faharetana rehefa hianatra any ivelany. Na dia eo amin’ny fikarakarana taratasy fotsiny aza dia mila dingana lavalava. Noho izany , tsy mora kivy ary mila mikarokaroka, mampitombo ny fahaizana fa tsy mionona fotsiny amin’ny naoty azo tany amin’ny am-pianarana. Ohatra, mila mianatra tenim-pirenena hafa toy ny anglisy… », hoy i Rajaonah Haingo manazava ny fanomanana ilaina raha te handranto fianarana any amin’ny firenen-kafa. Ho fanampiana ny mpianatra amin’ny fisafidianana ireo firenena azo andehanana sy ireo oniveriste mandray mpianatra malagasy, ho fampahafantarana ny dingana arahina, ny antontan-taratasy sy ny vola ilaina, toy ny fandaniana amin’ny fikarakarana antontan-taratasy, ny saram-pianarana, ny fandaniana rehefa hianatra toy ny hofan-trano, ny sakafo, saram-pitaterana… no antom-pisian’ny « Salon des études internationales ». Nanomboka ny alarobia 5 martsa 2025 ny andiany faha -15 ary hifarana ny alakamsiy 6 martsa 2025, eny amin’ny Novotel Alarobia. Trano heva 30 no miranty eny ahita izay ahitana oniveriste avy amin’ny firenena maro tahaka an’i Canada, Inde, France, Maurice. “Misy firenena vaovao ihany koa mandray anjara toa an’i Dubai, Maroc, Singapour, Thailande, Malaisie”, araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny mampiavaka ity andiany ity. Ankoatra ny fampahafantarana eny amin’ny trano heva dia misy ny famelabelaran-kevitra hanoroana ny mpianatra ny soa fanararaotra amin’ireo oniversite any Eraopa, Afrique, Canada. Ho resahina ny alakamisy 6 martsa, amin’ny 4 ora hariva ihany koa ireo vatsim-pianarana iraisam-pirenena sy ny fomba ahitana izany. Misokatra amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny hetsika. 5000 Ariary ny saram-pidirana.
Ra-Nirina