Socio-eco

« SALON DES ÉTUDES INTERNATIONALES »: Mianatra eto an-toerana nefa mahazo diplaoma avy any ivelany


Tonga amin’ny andiany faha-folo ny hetsika « Salon des Études Internationales » karakarain’ny Mada jeune amin’ity taona 2019 ity. Atao etsy amin’ny hotel Carlton Anosy ny 01 Marsa ka hatramin’ny 02 Marsa. « Miavaka amin’ny fisian’ny oniversite avy any ivelany manana lalam-piofanana vaovao maro isan-karazany. Eo ihany koa ny fahafahana mianatra eto Madagasikara kanefa mahazo diplaoma avy any ivelany ny mpianatra », hoy ny tomponandraikitry ny hetsika, Lahatra Andriamahatsangy. Anton’ny hetsika ny ho fanampiana ireo mpianatra te hanohy fianarana ambaratonga ambony any ivelany. Fotoana iray ahafahan’ny mpianatra mahalala bebe koa ny fianarana ambaratonga ambony ivelan’i Madagasikara ity hetsika ity. Ankoatra izany dia fotoana ho an’ireo oniversite na fianarana ambaratonga ambony any ivelany miserasera amin’ny mpianatra Malagasy.

Oniversite am-polony no hita eny an-toerana mandritra io roa andro io. Mandritra izany ihany koa dia hisy fampiratiana ho an’ireo firenena manana oniveriste ary famelaberan-kevitra iarahana amin’ny ireo fianarana ambaratonga ambony avy any ivelany ireo. “Ho hita ao ao anatin’izany ny andinindininy momban’ ny fidirana, ny taratasy ilaina, ny faharetan’ny fianarana”.

Marihina fa 2000 Ariary ny vidim-pidirana ary misokatra manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora hariva ny hetsika.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *