Socio-eco

SALON DES ÉTUDES INTERNATIONALES: Manoro ny mpianatra ny fomba isafidianana ireo oniversite any ivelany sy ny fiomanana tokony atao


Nisokatra androany 6 martsa ary hitohy rahampitso 7 martsa 2024 ny Salon des études internationales. Eny amin’ny Novotel Alarobia no hanatanterahana ny andiany faha-14. Mikarakara ny hetsika ny Mada Jeune. Trano heva miisa 20 no mampahafantatra ireo oniversite any ivelany mandray mpianatra Malagasy, toa ny any Etazonia, Canada, Australie, Frantsa, Turquie, Inde, Maurice…. Lalam-piofanana maherin’ny 450 ohatra no atolotry ny oniversite Parul avy any Inde. Ahitana ivontoerana mandray an-tanana ireo mpianatra te hanohy fianarana any ivelany, manomboka any amin’ny fanoroana ireo oniversite ka hatramin’ny fikarakarana antontan-taratasy, ny trano hivantanana ihany koa ity hetsika ity.

Ankoatra ny fampirantiana dia ao anaty fandaharam-potoana mandritra Salon des études internationales ny velankevitra hanoroana ny mpianatra ny fomba isafidianana ny oniversite any ivelany, ny dingana rehetra arahina sy ny fiomanana rehetra, araka ny fanazavan’i Rajaonah Haingo, Tomponandraikitra avy ao amin’ny Mada Jeune, androany alarobia 6 martsa 2024. Nambarany fa mila fiomanana ny fanohizana fianarana any ivelany. « Farafahakeliny enim-bolana », hoy izy. Anisany nanao famelabelaran-kevitra tamin’ny andro voalohany ny MAARIF International, ivontoerana manampy ireo mpianatra te hanohy fianarana any Turquie. Firenena 50 no ahitana azy ary anisany manana ratsa-mangaikany eto Madagasikara. Ivon-toeram-pampianarana 465 no miaramiasa aminy ary ahitana lalam-piofanana 60.

Nanazava ny tombontsoa amin’ny fanohizana ny fianarana any Turquie ny Solontenan’ny MAARIF International sy ny Tomponandraikitry ny ivontoerana avy eto Madagasikara niaraka tamin’ny solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra malagasy nianatra tany Turquie. Araka ny fanazavan’i Andriamisaina Maeva, mpianatra Malagasy efa nanohy ny fianarany tany Turquie fa mora kokoa ny saram-pianarana, ny vidim-piainana any raha oharina amin’ireo firenen-kafa toa an’i Eraopa, Canada. Manome vatsim-pianarana ho an’ny firenen-kafa ihany koa ny fanjakana Turque. Tafiakatra 110.000 ny mpianatra nahazo izany tamin’ny 2023, mpianatra Malagasy ny enina tamin’ireo. Marihina fa 5.000 Ariary ny vidim-pidirana amin’ny Salon des études internationales.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *