Socio-eco

SALON DES ÉTUDES INTERNATIONALES : Andro voalohany, liana dia liana ny mpianatra


Nisokatra androany ny « salon des études internationales » natao hampahafantarana ireo mpianatra ny dingana atao raha hianatra any ivelany. Nampiavaka ity andiany fahasivy ity ny fisian’ny ivon-toerana manokana mitari-dalana ireo mpianatra te hanohy fianarana any an-dafy. Ohatra amin’izany ny “France International Graduate Schools” (FIGS), Fun Education Agency… Manampy ireo mpianatra manana diplaoma bakalorea no miakatra ka manam-paniriana hanohy ny fianarany any ivelany izy ireo manomboka any fisafidianana ny lalam-piofanana, ny fianarana ambaratonga ambony ka hatrany amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina.

Oniversite misandrahaka manerana ny firenena fito toy ny « États-Unis, France, Indonésie, Maurice, Inde, Allemagne, Angleterre » no mandray anjara amin’ity hetsika izay atao eny amin’ny Carlton Anosy ity. Roam-polo ny trano heva mandrafitra ny hetsika. Ankoatra ny fampirantiana an’ireo lalam-piofanana azo rantovina, mampahafantatra ny mpitsidika ny vatsim-pianarana misy ihany koa ireo tomponandraikitra isaky ny trano heva. Nomarihin’ny mpikarakara avy ao amin’ny Mada Jeune, Lahatra Andriamahatsangy fa ny trano heva no roam-polo fa ny an-jatony ny toeram-pampianarana ambony.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *