Socio-eco

SALON DES ETUDES INTERNATIONAL : Hanampy ny mpianatra maniry hianatra any ivelany.


Fotoana ho an’ny mpianatra maniry hanohy fianarana ambaratonga ambony any ivelany ny « Salon des etudes international » karakarain’ny MADAJEUNE. Firenena am-polony no handray anjara ny Alakamisy 01 martsa ka hatramin’ny zoma 02 Martsa 2018 etsy amin’ny Hotel Carlton. Anisan’izany ny Vatel Business school – France International Graduate Schools (FIGS) any Frantsa, Education USA,Campus France, MCCI business school ( Maurice ), G2ACAMAS ( Maurice ), Atlantis business school ( Maurice ), Alliance Francaise d’Antananarivo, IESEG ( Lille,Paris), Fan Education ( Madagascar ), MPTC, ESTI, MMU ( Inde ), Parul University ( Inde )…Tanjona amin’ity hetsika ity ny afahan’ny mpianatra Malagasy manohy ny fianarany amin’ireo sekoly ambony goavana sy malaza any ivelany. Ankoatra izay, ny fifanakalozana eo amin’ny samy oniversite sy ireo mpianatra.

Hivoha amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva ny hetsika mandritra ny roa andro ka 2.000 Ariary ny fidirana amin’izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *