Socio-eco

« SALON DE LA GASTRONOMIE »: Hampiofana maimaim-poana momba ny fandrahoan-tsakafo


Hetsika natao hankalazana ny sakafo sy ny manodidina azy ny « salon de la gastronomie », araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry ny « Alliance française Tananarive » (AFT), Rindra Dupré. Ny 28 ka hatramin’ny 30 septambra 2018 eny amin’ny Alliance française Andavamamba no hanantanterahina ny andiany faha-dimy. 74 ny isan’ny trano heva handravaka ity hetsika ara-tsakafo ity. Ankoatra ny varotra fampirantiana ireo karazan-tsakafo, zava-pisotro, kojakojan-dakozia dia ao anatin’ny programa mandritra ny telo andro ihany koa ny atrikasa fampianarana momba ny fandrahoan-tsakafo sy fanamboarana mofomamy. Hisy ny fampiofanana momba ny fanaingoana sakafo amin’ny alalan’ny “chocolat”, vatomamy “chocolat”, “petits fours”, “dessert sur assiette”, fanaingoana latabatra, “pliages”, service… Hifandrimbona amin’ny fampiofanana ny Chef Michael Réano izay « meilleur ouvrier de France », ny chef avy ao amin’ny Havila School ary ireo chef avy any amin’ireo hotely manana kintana eto Antananarivo.
Lohahevitra noraisina tamin’ity andiany ity ny sakafo “bio” na sakafo tsy misy akora simika. Noho izany, hisy ny atrikasa natao hampianarana ny fanamboarana zaridaina “bio”. Afaka manatrika atrikasa karazan’ny roa na maromaro ny olona iray fa mila misoratra anarana ao amin’ny AFT. 2000 Ariary ny fidirana mandritra ny hetsika. Raha 7.000 ny isan’ny mpitsidika tamin’ny andiany faha-efatra dia miandry mpitsidika 9.000 ny Alliance française izay mpikarakara ny hetsika.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *