Socio-eco

SAKAIZAN’NY FPMA: Nanavao mambra birao sy mpikambana


Tetsy amy foibe Frenjy Faravohira ny sabotsy 02 marsa 2024 tolakandro no nanao ny fivoriambe voalohany taona 2024 ny Sakaizan’ny Fiangonana Protestantra Malagasy Andafy na S-FPMA  araka ny Teny filamatra hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra” Jao. 17, 21. Tahaka ny FFPM ihany dia ny FJKM sy FLM no mandraitra ny S-FPMA. Tonga koa tao koa ny Fiangonana Protestantra METM.

Anisan’ny nanatevina ny Sakaizan’ny FPMA ny Jeneraly Rabemananjara Charles

Anisan’ny nanatevina ny Sakaizan’ny FPMA ny Jeneraly Rabemananjara Charles

Nampiavaka ity fihaonana voalohany ity ny fikendrena dia ny fampidirana mpikambana vaovao hanitarana ny fikambanana, ary koa ny fanavaozana ny mambran’ny birao mpitantana. Natomboka tamy ny fiaraha-mivavaka, ka Andriamatoa Rasolomanana Nehémie Mpitandrina misotro ronono tao amy ny FJKM Tranovato Ambonin’Ampamarinana no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra nosintonina tao amy Filazantsara araka an’i Jaona toko faha 15 andininy faha 16: “Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo”.

Fantatra nanditra ny tatitra ara-moraly fa teratany malagasy maromaro nody avy tany Frantsa no loharano nipoiran’ny Sakaizan’ny FPMA tany am-piandohana. Nohatevenin’ireo izay sendra nivahiny na nivavaka tamy ny FPMA tany Frantsa izy ireo. Ary taty aoriana dia na tsy mbola nivavaka tamy ny FPMA sy tsy mbola tany andafy akory aza ka vonona hiditra sakaiza dia noraisina ho mpikambana. Tsy mandray vola amy ny FPMA ny S-FPMA ary tsy mandefa vola any andafy koa. Ny fanamafisan’orina ny fifandraisana sy fifankatiavana no imasoana!

Misy andraikitra vitsivitsy sahanin’ny S-FPMA toy ny fikarakarana ny fisotroandronon’ireo Pastora sy/na Mpitandrina tojo fasahiranana amy volan’ny fisotroandronono. Manao ezaka mangataka tany amy Fanjakana ny S-FPMA hanorenana fotodrafitrasa hahazoana manao vina ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena, ary koa toerana fialamboly sy fitsangatsanganana, eny Avaradrano. Nisy koa tolo-tanana (bodofotsy) ho an’ny traboina efa notanterahan’ny S-FPMA teny Atsimondrano.

Notanterahana tamy fomba tsotra sy tena demokratika, dia ny tsangan-tanana, ny fifidinana mpikambana ho amy ny biraon’ny S-FPMA. Neken’ny besimaro handimby an’Andriamatoa Rasolondrainibe Jean Veloson (FLM) ny Mpitandrina Rasolomanana Nehémie (FJKM). Niampy olom-baovao vitsivitsy ieo Mpanolotsaina ary anisan’izany ny Jeneraly Rabemananjara Charles. Tazana tao koa ny solontena avy amy Fiangonana Protestantra METM.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *