Sport

RUGBY VEHIVAVY: Nahazo traikefa tany Frantsa i Marcelia, Pela ary Sonia


Tanora zazavavy  mpilalao baolina lavalava (rugby) miisa telo avy ao amin’ny fikambanana « Terre en Mêlées » avy naka traikefa tany Frantsa. Nivahiny  15 andro, ny 30 janoary ka hatramin’ny 15 febroary 2019 tany Frantsa i  Marcelia, Pela ary Sonia noho ny fiarahamiasan’ny fikambanana tamin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny federasiona ny Malagasy Rugby, ny Masoivoho frantsay miasa eto amintsika sy ny maro hafa. Fotoana tsy hay adinoina ho azy telo mirahavavy  ny  fivahinian’izy ireo tany Frantsa. Nandaka ny « coup d’envoi » nandritra ny fanokafana lalao « VI Nations » izay nahitàna mpijery baolina lavalava miisa 60.000 tao amin’ny Stade de France ny iray tamin’izy ireo dia Mareclia. Nihaona tamin’ny tale misahana ny fanantontoloana, ny fampianarana, ny kolontsaina sy ny fiarahamiasa iraisam-pirenena, Laurent Bili sy ireo sangany amin’ny rugby ao Frantsa tahaka an’i Johnny Wilkinson sy Thierry Dusautoir. Nandray anjara tamin’ny fanazaran-tena  niaraka tamin’ny ekipa frantsay vehivavy sy lehilahy tao amin’ny  CNR Marcoussis ihany koa  i Marcelia, Pela ary Sonia.

Noho ny fanohanan’ny Fondation Société Général  dia nanao famelabelaran-kevitra mitondra ny lohateny hoe : « Mitombo miaraka rugby eto Madagasikara »  nanaloana ireo mpiara-miasa sy sampandraharahan’ny fitantanana ny vondrona Société Général izy telo mirahavavy. Ankoatra izany, nanana fotoana nitsidihana ny kianjan’i Toulouse sy nihaona tamin’ireo ekipa lehilahy matihanina ao Toulouse ary nandray anjara tamin’ny fanazaran-tena niaraka tamin’ny ekipa matihanina ihany koa  izy ireo. Vita iny fitsidihana tany Frantsa ka hiverina hitodi-doha any Atsimo, tany nihaviany izy telo. Nanome toky kosa ny solontenan’ny masoivoho frantsay, Patrcik Perez fa vina ho amin’ity taona 2019 ity ny fanatanterahana ny nofinofin’izy ireo dia ny hitondràna ny mpilalao iray manontolo ao anatin’ny ekipa vehivavy avy ao amin’ny fikambanana « Terre en Mêlées » any Frantsa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *