Fiarovana ny lapa amin’ny fikasana hiditra an-tsokosoko amin’ny alina. Vita sonia ny tamin’ny alatsinainy 12 mey 2025 ny fiaraha-miasa eo amin’ny Groupe Filatex sy ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina(MCC) ary ny Office du Rovan’i Madagasikara (ORMada) teny amin’ny lapan’i Manjakamiadana amin’ny ho fanazavana ny Rovan’i Madagasikara. Ho vita alohan’ny faran’ny taona 2025 ny fanatanterahana sy ny fametahana ireo jiro mandeha amin’ny masoandro eo amin’ny tokotanin’ny Rova. Natao izao mba hanampy ny mpiambina amin’ny fiarovana azy. Mpisehatra lehibe eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara ny Groupe Filatex. Mirefy 250 metra ny asiana ireo jiro. Anisan’ny hazavaina ny misy ireo zaridaina, ny anoloan’ny Lapan’ny Manjakamiadana, ny ao atsinanana.
« Anisan’ny fanohizana ny ezaka fanatsarana endrika an’ Antananarivo ny fanaovana sonia ity fifanarahana momba ny fanazavana ny tokotanin’ny Rova ity. Zava-dehibe ho anay ny Rova satria mitahiry ny vakoka. Efa nandray anjara tamin’ny fametrahana jiro an-dalambe ho fiarovana ny renivohitra sy ny manodidina ny Groupe Filatex. Jiro mandeha amin’ny masoandro manodidina ny 400 no efa napetraka manerana an’i tanàna tato anatin’ny taona vitsivitsy», hoy hoy Tahina Ramaromandray, talen’ny fifandraisana amin’ny besinimaro ao amin’ny Groupe Filatex. Noamasiny fa manampy amin’ny fanamafisana ny fiarovana ity Rova nasionaly ity ny fanazavana azy . « Hanatsara ny fiarovana ny lapa amin’ny fikasana hiditra an-tsokosoko ity fifanarahana ity. Hatao manaraka ny fenitra momba ny fikajiana ny lova ara-tantara avokoa ny asa rehetra », hoy Niry Rajaonarison, mpitahiry ny Rovan’i Madagasikara.
Ra-Nirina