Socio-eco

ROCADE IARIVO: Misokatra ny andiany fahatelo ho fandraisana ny lisitr’ireo tompontany tsy mbola nahazo onitra


Parsely 342 amin’ireo tany na tanimbary voakasikin’ny fanamboaran-dalana  Rocade Iarivo no tsy mbola voaloa onitra. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 24 mey 2022 teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Anosy ny andiany fahatelo amin’ny fampiharana ny didim-panjakana 2001 laharana 689, andininy faha-46. Natao hanamorana ny fandoavana onitra ho an’ireo tompontany na tompona tanimbary voakasikin’ny fanamboarana ny Rocade Iarivo ity didim-panjakana ity. Ao anatin’ny 30 andro dia hisy ny fivoriana ho fanentanana ireo tompontany efa nikarakara dosie na tsy mbola nikarakara nefa tsy mbola nahazo onitra. Amin’io fivoriana io no hanomezana fanazavana feno momba ny antontan-taratasy ilaina rehetra. « Amin’izao volana mey izao dia 97 % an’ireo olona manana, zavamaniry, fambolena, trano, very asa no efa voaloa onitra. 40 % kosa ho an’ny tany sy tanimbary.  Mbola mitohy ny ezakin’ny fanjakana amin’ny fandoavana ny onitra ho an’ireo tompontany tsy mbola nahazo izany ka antsoina izy ireo hanatrika ny fivoriana fanentanana », hoy Holy Rasoariniaina, tomponandraikitrin’ny tetikasa. Manomboka ny  talata 31 mey 2022,  talata 7 jona, talata14 jona ary ny talata 21 jona amin’ny 9 ora sasany ny fivoriana. Afaka mandalo eny amin’ny « Guichet unique » Alasora ireo tompontany amin’izany daty maha afaka azy.

Ho apetraka eny anivon’ny fokontany, boriborintany, kaominina ny lisitr’ireo parsely tsy mbola nahazo onitra, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitrin’ny tetikasa. Iray volana ny faharetan’ny fanentanana ka aorian’izay dia manana 15 andro ny olona hisoratra anarana.

Atao peta-drindrina ny lisitr’ireo nisoratra anarana ny 25 Jolay ka hatramin’ny 9 aogositra 2022. « Raha misy fanohanana na fanamarihana dia afaka raisina, izay vao mamoaka lisitra farany sy midina eny an-toerana ny vaomiera. Aorian’izay vao manao fivoriana fanapahan-kevitra fankatoavana ny lisitra nahafeno fepetra hahazo ny onitra. Alefa eny amin’ny primatiora avy eo ary havoaka  amin’ny gazetim-panjakana ao anatin’ny heritaona ka raha tsy misy manao fanohanana dia izay vao afaka mandoa onitra », hoy hatrany Rasoariniaina nanazava misimisy kokoa ny fepetra voalaza ao anatin’ny didim-panjakana 2001 laharana 689. Nohamafisiny fa ahafahana mandoa ny onitra ho an’ireo olona sahirana amin’ny famenoana taratasy ny didim-panjakana satria misy amin’ireo tompon’ny tany no tsy mahazo certificat de situation  juridique noho ny boky rovitra. Misy amin’izy ireo manana certificat de situation juridique fa tsy feno na misy tsy fahatomombanana ny dosie. Ao ihany koa no nanajary ny tany  efa nampiditra Prescription Acquisitive teny amin’ny tribolany nefa tsy mbola nivoaka. Marihina fa tamin’ny 4 aogositra ka hatramin’ny 28 desambra 2021 ny andiany voalohany amin’ny fampiharana ity didy ity. Parsely 39 no nisoratra anarana ka 34 tamin’ireo no nahazo fankatoavana avy amin’ny vaomiera misahana izany. Ny 11 oktobra 2021  ka hatramin’ny 24 Aprily 2022 kosa ny andiany faharoa. Parsely 57 tamin’ireo 67 no nankatoavina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *