Non classé

Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar: Famelabelaran-kevitra sy asasoa


« Vehivavy manana fahasembanana manao fanomezana ho an’ny zokiolona sahirana ». Io no endrika entin’ny Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar, RNFH  mandray anjara, toy ny fikambanam-behivavy rehetra, mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho azy ireo, sady mbola volana martsa rahateo izao. Ao amin’ny Foiben toeran’ny Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapées de Madagascar, PFPH Mad, ao Behoririka no hanombohana ny hetsika, sady iray amin’ireo federasiona mandrafitra io Vovonana io ny RNFH, amin’ity anio Zoma 23 Martsa ity.

Mizaka ny zo feno toy ny vehivavy rehetra.

Izany no voasoratra ao amin’ny andininy faha- 6 ao amin’ny Fifanarahana Iraisam-Pirenena momba ny zon’ny Olona Manana Fahasembanana izay efa nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2015. Io no anisan’ny lohahevitra ho voaboasan’ireo vehivavy manana fahasembanana manana fahaizana amam-pahalalana ka mpikambana ao amin’ny RNFH ho an’ireto rahavaviny. Mampihatra io zo io ireto vehivavy ireto anehoana fa na dia manana fahasembanana aza izy ireo dia mahatsapa fa manana andraikitra ao anaty fiarahamonina fa tsy voatery ho vesatra foana na ho an’ny fianakaviana, na ho an’ny firenena.

Foyer du Coeur eny Ampandrana.

Ny zoma 23 Marsa, aorian’ny fiofanana ao Behoririka dia hanatitra ireo fanomezana ireo ny RNFH. Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay no efa nanaovan’izy ireo izao endrika fankalazana izao, ka ovainy isan-taona ny toerana hanaovany ny asa-soany. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa MIRAZO, izany hoe fampitoviana zo ny olona manana fahasembanana amin’ny rehetra izao tetikasa izao, ary ny Humanité et Inclusion (Handicap International teo aloha) no nanao famatsiana ny PFPH.

Razaka Ralphine Manantenasoa


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *