Socio-eco

RAVINALA AIRPORTS: Mamatsy vola ireo fikambanana miasa amin’ireo kaominina manodidina seranampiaramanidina Antananarivo Ivato


 Tetikasa mipaka mivantana amin’ny fiarahamonina.  Niantso ireo fikambanana ao amin’ireo kaominina efatra (04) manodidina ny seranampiaramanidina Antananarivo (Ivato, Talatamaty, Anosiala, Ambatolampy Tsimahafotsy) manana tetikasa ara-tsosialy ny Ravinala Airports. Miompana amin’ny fanabeazana, tontolo iainana, fampandrosoana ara-tsosialy ny lohahevitra takiana. Famatsiambola mitentina 15 tapitrisa Ariary ny tohana ho an’ireo tetikasa telo (03) voalohany ary  valo tapitrisa Ariary ho an’ireo tetikasa telo (03) voasafidy ho ao amin’ny laharana faharoa. Ny volana mey 2023 no nalefa antso ka tetikasa enina (06) tamin’ireo 60 nandray anjara no nahazo ny famatsiambola. Nomena loka avokoa isaky ny lohahevitra.  Ho an’ireo tetikasa voalohany, ny fikambanana Ecovillage, tamin’ny alalan’ny tetikasa fambolena legioma an-tsekoly  no nahazo ny famatsiambola ho an’ny lohahevitra fanabeazana. Hampaharitra ny fampisakafoana an-tsekoly  eny amin’ny EPP Soanarivo sy hampihenana ny fahasahiranan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra no zava-kendren’ny tetikasa. «  Sahirana ny Ray aman-dreny ka lasa  in-dray na in-droa ny ankizy no misakafo. Miteraka fitsoahana an-daharana an-tsekoly izany. Mpianatrin’ny EPP Soanarivo – Ambatolampy Tsimahafotsy miisa 270 no hisitraka ity tetikasa ity », hoy i Andrianarivo Judicaël, mpikambana ao amin’ny Ecovillage. Ho an’ny lohahevitra momba tontolo iainana, ny Hope for Future Madagascar no nahazo izany. Fametrahana tanin-janakazo « Ravinala » sy toerana hambolena « baobab » ny tetikasan’ny fikambanana. Ankizy no hiaindraikitra izany ary hisy ihany koa ny andro hanaovana fambolen-kazo. Ho an’ny fampandrosoana ara-tsosialy indray dia norombahan’ny fikambanana Sekool Madagasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa « Anoka » ny laharana voalohany. Midika ho fahafenoana ny « Anoka » satria marobe ireo vokatsoa ho entin’io voankazo io.  Hanome fiofanana ho famoronana asa ho an’ ireo vehivavy/loham-pianakaviana no vontoatin’ny tetikasa. Anisany sahan’asa ho tanterahina ny fanampiana ireo reny – manana zanaka ao amin’ny Sekool amin’ny famarotana ireo voankazo namainina. Ireto voalaza manaraka ireto koa ny fikambanana telo (03) voasafidy hahazo laharana faharoa: « Filles de Marie Auxiliatrice »-nanolotra ny tetikasa fametrahana toerana hianarana sy fakan’aina ho an’ireo zazavavy marefo sy kamboty; Tafaray – mitondra ny tetikasa fametrahana tanin-janakazo sy fambolena voamanga miloko volomboasary; Between Us Count On me, tompon’ny tetikasa Tanàna saine ( tanàna madio). Natolotra azy ireo ny zoma 4 aogositra 2023 ny famatsiambolan’izy ireo ho entina hanatanterahana ireo tetikasa. «  Mba hisian’ny fiantraikany tsara amin’ny kaominina manodidina ny seranam-piaramanidina irasaimpirenena eto Antananarivo, amin’ny lafiny fanabeazana, tontolo iainana sy fampandrosoana ara-tsosialy no anton’ity antso ho an’ny tetikasa ara-tsosialy ity », hoy i  Ratsimbazafy Felana, Tale misahana ny kalitao sy fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina ao amin’ny Ravinala Airports. Nambarany fa olona 3000 mahery no efa misitraka ireo asa natokana ho fanampiana mpiara-belona tanterahan’ny Ravinala Airports. Manatevi-daharana izany ity tohana omena ireo fikambanana. Maniry ny fitohizan’ny fiarahamiasa amin’ireo kaominina hatrany ny orinasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *