Socio-eco

Ratsietison Jean-Jacques : Hampidina ny vidin’entana


Fidinan’ny vidim-piainana mahery vaika misy fiantraikany any amin’ny vilan’ny tsirairay no ilain’ny vahoaka Malagasy. « Misy ny vahaolana ahafahana manatanteraka izany amin’ny alalan’ny didim-panjakana hanafoanana ny MID ( Marché Interbancaire de Devis ).
Famerenana ny taha-bola tsy miovaova ary fampiakarana ny sandam-bola ho 100 isan-jato, hoy i Ratsietison Jean-Jacques. Nanaiky ny fanoloran’ny Antoko Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy ( FMI Malagasy ) ny tenany hanatanteraka io tetikasany io. Nanaiky ihany koa izy hanao fifamatorana roa izay takian’ny Antoko.
Iray volana hitsanganan’ny governemanta tsy maitsy hidina atsasany ny vidin’entana rehetra hafarana avy any ivelany. Tsy hijanona amin’izay ihany anefa fa afaka roa taona aty aoriana, hidina antsasany fanindroany indray ny vidin’entana hafarana avy any ivelany. Tsy hisy ny fangatahana fisondrotan-karama satria miakatra ny fahefa-mividin’ny Malagasy ary foana ny fitakiana an’izany eny amin’ny 13 Mai. Nanome ohatra amin’izany izy, raha 4.000 Ariary ny litatry ny solika amin’izao dia lasa 2.000 Ariary izany afaka iray volana ary lasa 1000 Ariary afaka roa taona.
Vonona anao fifamatorana amin’ny Malagasy ihany koa izy. Hapetrany miaraka amin’ny antota-taratasy filatsahan-ko fidiana ny fametram-pialàny raha tsy tanteraka ireo fampanan-tenana ataony ireo. “Matoa aho sahy manao fifamatorana amin’ny Malagasy, matoky tena 100% fa ho vitako izany.

Nirina R.

horonan-tsary


One comment on “Ratsietison Jean-Jacques : Hampidina ny vidin’entana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *