Socio-eco

RAKOTOSON ALEXANDRE: Tsara ny toerany “styliste” Malagasy eo anivon’ny iraisampirenena


Mitodika aty Madagasikara mason’ireo firenena manerana an’izao tontolo izao. Anisany “styliste” nahazo ny mari-boninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina (commandeur)  tamin’ireo 23 Rakotoson Alexandre. Nandritra ny lanonana famaranana ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany faharoa, ny 14 febroary 2021 teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina no nanoloran’ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana izany.RAKOTOSON ALEXANDRE - styliste - Mihamy Mada Fashion 2021 2 “Isaorana ny fanjakana malagasy sy ny ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera nanome an’ity mari-pankasitrahana lehibe ity. Efa ela ihany no nisehatra tamin’ny fampiroboroboana ny  asa koltoraly teto Madagasikara indrindra teto amin’ny faritry ranomasimbe Indiana ny tenako. Teo amin’ny 18 taona teo izay”, hoy Rakotoson Alexandre. Be dia be ny vokatra efa noforoniny raha teo amin’ny tontolon’ny lamaody. “Anisany tena nisongadina dia ny fitiavan’ireo mpanao gazety frantsay ny asa famoronana nataoko izay nanaovan’izy  ireo nandritra fanolorana fandaharana La revue du monde. Ankoatra ireo  ny fampiankajoana olo-malaza manerantany, ireo mpanolotra fandaharana ao amin’ny antenne Réuinon, African Fashion TV any Nigéria”, hoy izy. Nahafantaran’ny besinimaro an’i Rakotoson Alexandre ny fikarakarana ny Madagascar Fashion Week. Amin’izao fotoana izao dia izy no filohan’ny  federasionan’ny mpamorona lamaody aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana ary Filoha lehitry ny  federasiona mpamorona lamaody aty amin’ny kontinanta Afrika.

Noho ny akora

Nambaran’ny styliste Rakotoson Alexandre fa tsara ny toeran’ny styliste Malagasy raha eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena satria “noho ny asa vita dia mahatazana ny firenena afrikana, efa manomboka ihany koa ny asiatika, ohatra ny malezianina sy ny sinoa. Raha eo amin’ny akora fampiasa amin’ny asa famoronana lamaody indray no resahana dia lafo vidy ny vokatra vita amin’ny raphia. “Rehefa manatrika tsena iraisam-pirenena ho an’ny lamaody dia Madagasikara mitazona laharana voalohany amin’ny sehatry ny raphia. Ohatra poketra kely iray any amin’ny salon de luxe  any Milan, Italie dia mitentina any amin’ny 2000 euros ny zavatra vita raphia avy aty Madagasikara. Kanefa ny Marôkanina sy ny Camerounais misehatra ao anatin’ny raphia ihany koa nefa 50 euros ny tetibidin’ny zavatra mitovy  vokarin’ireo firenena ireo sy ny vokariny  avy eto Madagasikara”.  Nilaza izy fa mitodika aty Madagasikara ny mason’ireo firenena manerana an’izao tontolo izao satria mbola betsaka ny akora natoraly ahafahana manao famoronana tsy dia tahaka ny mahazatra.

Lynda A.


One comment on “RAKOTOSON ALEXANDRE: Tsara ny toerany “styliste” Malagasy eo anivon’ny iraisampirenena

  1. Pingback: RAKOTOSON ALEXANDRE: Tsara ny toerany “styliste” Malagasy eo anivon’ny iraisampirenena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *