politique

RAKOTONDRAZAFY LALATIANA: Voatery manazava ny hevi-panjakana


Nanazava ny antony hanovàna ny lalàmpanorenana amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra teny ny governemanta Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana omaly 23 aprily 2019. Nambarany fa ho fanantanterahana ny fampanantenana nataon’ny Prezidàn’ny Repoblika tamin’ny fampielezan-kevitra no antony hanovàna ny lalàmpanorenana ary ao anatin’ny politikan’ny fitsitsiana no hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka miaraka amin’ny daty hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019 ho avy izao.  Nilaza izy fa santionany amin’ireo andinin-dalàna ho asiam-panovana ny fanafoanana ny andrim-panjakana mandany vola toy ny antenimierandoholona, ny fanomezana fahefana feno ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fifidianana ny lehiben’ny fokontany.

25 miliara Ariary ka hatramin’ny 33 miliara Ariary ny tetibola ampiasain’ny Antenimierandoholona raha ny tarehimarika nomen’ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. « Tsy aleo ve hanamboarana foto-drafitrasa ho an’ny tanora  an’arivony toy ny fanamboarana oniversite io vola io toy izay ho an’olom-bitsy ?». Ao anatin’ny fanomezana fahefana feno ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fametrahana governoran’ny faritra. Afaka hanana fahefana hanatanteraka ny politikan’ny fanjakana ny faritra toy ny fanamboarana fotodrafitrasa. Hisy ny filan-kevitry ny governora mba ahafahan’izy ireo manao tatitra amin’ny Filohan’ny Repoblika ny tetikasa ilain’ny faritra tsirairay. Ankoatra izany dia ho asiam-panitsiana ireo andinin-dalàna miteraka resa-be toy ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *