Socio-eco

RAHARAHAN’NY « RANO »: Mifanohitra ny nambaran’ny Ministra sy ilay mpanao gazety


« Tsy marina mihitsy  ny fisian’ny mpanao gazety nosamborina izany. Tsy tokony hanely vaovao tsy marina ny mpanao gazety ary tsy tokony handairan’ny tsaho miely amin’ny tambajotra serasera-tsosialy », raha niresaka ny raharahan’ilay mpanao gazety any Sambava lazaina fa nanely tsaho tamin’ny facebook ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy. Mifanohitra amin’ny nambaran’ny ministra kosa anefa ny notenenn’ilay mpanao gazetin’ny Radio Vanille ,Marino Rajaonina.  «  Nosamborina aho ny alahady 27 Janoary 2019 tamin’ny 10 ora maraina ary natao fanadihadiana. Nalefa nody kosa rehefa vita izany ». Nahazo tsindry avy amin’ny tomponandraikitra ambony kosa ireo polisy mba hisamborana ny nanao ny fanelezana « tsaho ». Marihana fa fanoratana « publication » teo amin’ny rindrin’ity mpanao gazety ity no niampangana azy raha ny nambarany ary nampidirina any amin’ny fandraisana an-tsoratra (PV) io soratra io ( Noho ny tsaho na rumeur no tsy mampandry olo tanana araiky ao Nosiarina @ zao). Noho ny fahafantarany fa tsaho no misy fa tsy marina no nahatonga azy namoaka an’io teo amin’ny rindriny tao amin’ny facebook. Ankoatra izay , efa nisy ny tomponandraikitra voalohany voalazan’ity ministra ity fa efa nosamborina. Tao aorian’ny fiakaran’i Marino Rajaonina  teny amin’ny fitsarana  ny alarobia 31 Janoary 2019 dia  nahazo fahafahana vonjimaika (LP) izy. Hatao ny 18 Febroary 2018 izao kosa ny fitsarana azy.

Nirina R.


One comment on “RAHARAHAN’NY « RANO »: Mifanohitra ny nambaran’ny Ministra sy ilay mpanao gazety

  1. Pingback: RAHARAHAN’NY « RANO »: Mifanohitra ny nambaran’ny Ministra sy ilay mpanao gazety - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *