Nandritra ny fitondrana Rajoelina dia maro ireo teknisianina sy manampahaizana no nisafidy ny hangina, na dia nahita sy nahatsapa ny tsy rariny aza teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy vitsy tamin’izy ireo no niafy anaty tsindry ara-politika sy ara-pitantanana, ka nisafidy ny tsy haneho hevitra noho ny tahotra ny famaliana bontana, fanagadrana na faminganana amin’ny asa.
Anisan’ireo tsy dia re firy nandritra izany fotoana izany i Orlando Robimanana, izay fantatra amin’ny maha-malagasy manampahaizana azy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Araka ny fanazavan’ireo mpanohana azy, dia lehilahy manana traikefa sy vina mazava amin’ny fanarenana ny toekarena sy ny fampivoarana maharitra. Tsy vao voalohany izy no nandray anjara tamin’ny tetikasa goavana, satria izy no tompon-kevitra sy mpanatanteraka ny fanamboarana ny “village touristique” ao Mahajanga — tetikasa iray manamarika ny fahaiza-manaon’ny Malagasy rehefa omena sehatra sy fahafahana.
Hoy ny sasany tamin’ireo nanaraka akaiky ny asany: “Ilaina ny olona tahaka azy, manam-pahaizana sy mitsinjo lavitra, mba hifampizara traikefa sy hitondra anjara biriky amin’ny tena fampandrosoana maharitra. Tsy amin’ny resaka politika ihany no mila fiovana, fa amin’ny fomba fitrandrahana ny harena sy ny fahaiza-manaon’ny olom-pirenena koa.”
Amin’izao fotoana an-dalàna hanavaozana indray ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena izao, dia maro no manantena fa hiseho sy haneho hevitra indray ireo teknisianina sy manampahaizana toa an’i Orlando Robimanana, mba hanampy amin’ny fametrahana lalana vaovao ho amin’ny tena fandrosoan’i Madagasikara.
Ra-Nirina



